FITSARANA MIANDRIVAZO

📌Sabotsy 03 aprily 2024, Tao arianan’ny fihaonamben’ireo Lehiben’ny Fitsarana rehetra tamin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, dia nidina ifotony tao amin’ny Faritra Menabe, Distrikan’i Miandrivazo ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana mba hijery ny olana misy sy ny zavatra iainan’ny fitsarana. Izany dia ho fanatanterahana ny Politikam-panjakana miainga amin’ireo Andry roa, dia ny fanomezan-danja ny maha olona sy fanajana ny zon’olombelona, ary ny Fanjakana tsara tantana.

🔴Misedra olana amin’ny fanatanterahana ny asam-bahoaka sahanin’ny Fitsarana ary nojerena vahaolana fohy sy antonony, ary lavitr’ezaka amin’izany. Tanjona tao anatin’izany ny fitoviana eo am-panatanterahana ny asam-bahoaka sy ho fanatsarana ny fomba fiasa atolotra ny vahoaka mpila raharaha eo anivon’ny Fitsarana.
Noantitranterina ihany koa ny hisian’ny fanatsarana ny fomba fiasa mitovy amin’ny fitsarana rehetra.

⭕Tao anatin’izay no nanoloran’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny Karatra fanarahan-draharaha (carnet de suivi) eo anivon’ny fitsarana. Hanampy ny manandraharaha amin’ny raharaha hiatrehany izany, hialana amin’ny fomba ratsy mahazatra sy hiadiana amin’ny mpijirika.
Notolorana solosaina miaraka amin’ny « Imprimante » ihany koa ny fitsarana teto Miandrivazo.