MAHAJANGA : HANOTRONA NY FAMETRAHANA NY FILOHAN’NY FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA NY MINISITRY NY FITSARANA.

📌Alakamisy faha – 6 Jolay 2023, tonga eto Mahajanga ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nisy avy hatrany ny fifampitam-baovao sy ny fampahafantarana ny fandaharam-potoana, niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana.

⭕️Ny hariva dia nihaona tamin’ny Mpitsara rehetra eto Mahajanga ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, dinika sy fifanakalozan- kevitra amin’ny fomba hanatsarana kokoa ny fomba fiasa.

⭕️Taorian’ny fihaonana tamin’ny Mpitsara, dia nihaona tamin’ny Mpirakidraharaha eto Mahajanga ihany koa ny Minisitry ny Fitsarana, fotoana nahafahan’ny Minisitra nanazava tamin’ny antsipirihiny, ireo fotokevi-dehibe ho antina manatanteraka ny fanamby napetraka, dia ny ady amin’ny kolikoly, ny Fitsarana tsy mitanila, ny Fitsarana manakaiky Vahoaka.

➡️Ny Zoma faha – 7 Jolay no hametrahana ny Filohan’ny Fitsarana Misahana ny Ady atao amin’ny Fanjakana eto Mahajanga. Hanatrika izany ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.