Posted in Actualités

VITA SONIA NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY OIF (ORGANISATION INTERNATIONALE DE LA FRACOPHONIE). HANOMBOKA NY FANOMEZANA SORA-PIANKOHONANA HO AN’NY ANKIZY.

Alarobia faha 19 Jolay 2023, teto amin’ny Biraon’ny OIF Antaninarenina, nosoniavina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny OIF. Tohanan’ny OIF ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fanaovana Fitsarana mitety vohitra, hanomezana  » jugement supplétif » ho an’ny ankizy miisa 4.000, mba hisitrahan’izy ireo Sora-piankohonana.

Ny Kaominina 10 ao anatin’ny Faritra Itasy no hanombohana ny Fiaraha-miasa mikasika izany.
📌Nambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa zava-dehibe eo amin’ny fiainana maha-olona izao fanohanana avy amin’ny OIF izao satria ny fanomezana sora-piankohonana dia fototry ny fanajana ny zon’olombelona, noho izy ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny fidirana an-tsekoly, hatramin’ny fahazoana kara-panondro. Ny Masoivoho, Solotena maharitry ny OIF Misahana ny Ranomasimbe Indiana, Atoa Léonard Emile Ognimba dia nanamafy hatrany fa hotohizana izao fiaraha-miasa izao satria anatin’ny fandaharan’asan’ny OIF ny tetikasa Sora-piankohonana, izay manome lanja ny demokrasia, ny tany tan-dalàna ary ny fiarovana ny zon’olombelona.

Nanatrika ity fanaovan-tsonia ity ny kabinetran’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Ben’ny Tananan’Itasy.

🎥 Araho eto ny resaky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana tamin’ny mpanao gazety tonga teny an-toerana.

Posted in Autres Evenements

FIARA ZO, FITSARANA MANAKAIKY VAHOAKA

Anjaran’ny Foulpointe sy Fenoarivo Atsinanana indray izao no handray ny « Fiara Zo ».
📌 Ny 24 jolay 2023 ao Foulpointe ;
📌 Ny 26 jolay 2023 ao Fenoarivo Atsinanana.

Posted in Actualités

LEHIBEN’NY MPIRAKIDRAHARAHA AMIN’NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY MANERANA NY MADAGASIKARA.

📌 Alakamisy faha 13 Jolay 2023, teto amin’ny Hôtel Le Pavé Antaninarenina, hatrikasa nandinihana ny olana fototra sy ny fomba entina manatsara ny fomba fiasa no natrehin’ny Lehiben’ny Firaketandraharaha amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany manerana an’i Madagasikara. Nanatrika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary namariparitra ny maha-zavadehibe ity fihaonana ity, izay hita soritra fa hanova zavatra betsaka eo amin’ny tontolon’ny asa iandraiketan’ ny Mpirakidraharaha.

⭐ Nandray anjara tamin’ny atrikasa ihany koa ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpirakidraharaha eto Madagasikara sy ireo Birao miara-miasa aminy.

Posted in Actualités

MITOHY NY FIHAONANA EO AMIN’NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA, SY NY FEDERASION’NY TARANJA LOMANO, HO FIATREHINA NY LALAON’NY NOSY.

📌 Alarobia 12 Jolay 2023, nihaona indray ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, sy ny Filohan’ny Federasion’ny Taranja Lomano, General RAMANANTSOA. Izany dia fanamafisana hatrany ny paikady rehetra ho anti-miatrika ny lalaon’ny Nosy.

➡ Nandritra ity fihaonana ity, nanolotra fanampiana ho an’ny Federasiona ny Minisitra, amin’ny maha – Mpiahy ny Taranja Lomano azy, mandritry ny lalaon’ny Nosy. Fanampiana hanatevenana ireo efa natolotra mba ho fanohanana ara-pitaovana sy ara-tsakafo ary ho fikarakarana ny Mpilalao.

⭕ Teo aloha dia efa nanatitra fitaovana sy fanafody ho an’ny Mpilalao ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Minisitry ny Fahasalamana. Efa nisy ihany koa ny fihaonana voalohany teo amin’ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Federasiona ary izao mbola notohizana izao indray .

Posted in Actualités

NIHAONA TAMIN’NY MINISTRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA NY FIKAMBANAN’NY BEN’NY TANANA VEHIVAVY.

📌 Alatsinainy faha 10 Jolay 2023, tonga teto Faravohitra ny Fikambanan’ny Ben’ny Tanàna Vehivavy, notarihan’ny Ben’ny Tanànan’ Anosizato Andrefana, Ramatoa ANDRIAMBOLONONA Laurence, izay Filohan’ny Fikambanana. Nihaona tamin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana izy ireo.

➡ Votoatin-dresaka ny fanomanana ny hetsika ho an’ny Vehivavy, ho tanterahana ny 6 Aogositra ho avy izao. Tanjona amin’io hetsika io ny fanentanana sy famporisihana ny Vehivavy mba handray andraikitra eto amin’ny Firenena. Amin’izao fotoana izao, 93 ny Vehivavy raha 1695 no isan’ny Ben’ny Tanana.