Posted in Autres Evenements

Fidinana ifotony Nosy Boraha Sainte-Marie.

Hitsidika ny Nosy Boraha Sainte-Marie ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny 20 sy 21 Aogositra ho avy izao. Ho firosoana amin’ny fanatanterahana ireo velirano nataony dia hisy fotodrafitrasa maromaro hotokanana mandritra izany, toy ny Birao vaovaon’ny Kaomisarian’ny Polisy, ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ny lalana vita rarivato ao Analamboanio ary ny Biraon’ny Ofisim-paritry ny Fizahantany.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌 Hamaranana ireo tsara ho fantatra mikasika ny solon-tsakafo na « Pension alimentaire » dia entina amintsika indray androany ireo antontan-taratasy ilaina amin’izany sy ny saran’ny fampidirana fangatahana eny amin’ny Fitsarana.

🔷 IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA :
👉 Taratasy fangatahana alefa amin’ny Lehiben’ny Fitsarana, misy ny adiresy mazavan’ny mpangataka sy ny toriana ary mamaritra mazava tsara ny mari-bola angatahana,
👉 Ny sora-panambadiana sy ny dika mitovin’ny bokim-pianakaviana (raha nisoratra ara-panjakana),
👉 Ny sora-pahaterahan’ireo zaza iombonana (nateraka na natsangana na nozanahana),
👉 Ny sora-panjanahana na sora-pananganan’ireo zaza iombonana,
👉 Ny taratasy fanamarinana ny vola miditra amin’ ireo ray aman-dreny (ohatra : fanamarinan-karama),
👉 Ny taratasy rehetra manamarina ny fandaniana momba ireo zaza (ohatra : rosia nandoavana ny saram-pianarana, ny fandaniana aminy isam-bolana).

🔸 Tsy voafetra ho ireo ny taratasy ilaina fa mety misy hafa ihany koa izay takian’ny Fitsarana.

🔷 AVANTANA AMIN’IZA ARY IREO REHETRA IREO ?
Amin’ny Lehiben’ny mpirakidraharaham-pitsarana.

🔷 SARAN’NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA
• Roa arivo sy telo alina Ariary (32.000 Ar)
• Izay aloa ao amin’ny lehiben’ny mpirakidraharaham-pitsarana ka manome rosia nandoavana izany

Posted in Autres Evenements

⚖ FANATSARANA NY FOMBA FIASA.

📌Mitohy hatrany ny fanentanana arak’asa ataon’ny Birao Fandrindrana sy Fanaraha-maso ny Fitsarana sy ny Fonja (Bureau de Coordination et de Contrôle des Juridictions et des Etablissements Pénitentiaires na BCCJEP), ka ny mpiara-miasa teto amin’ny fonjamben’ny Tsiafahy indray no nisitraka izany anio 10 Aogositra 2022.
Notarihan’ny Mpandrindra R/toa RASOLONANAHARY Vololoniaina niaraka tamin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy.

➡ Fivoriana, dinikasa fanentanana mba hamerenana indray ny haja sy ny hasin’ny Fitsarana amin’ny ankapobeny no tena vontoatin’ny fifampidinihana. Nohantitranterina fa ilaina ny manamafy ny ady amin’ny kolikoly, ny manaja ny asa, ny vahoaka, ireo voafonja ary koa ny tokony hanànana fitondran-tena mendrika hatrany.

⭕Ezaka iaraha-manao ny fampienàna ny taraina sy kiana mahazo ny fitsarana sy ny fandraharahana ny fonja.

Posted in Autres Evenements

Fananganantsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Faravohitra.

📷 Pejy an-tsary 08 Aogositra 2022.

🇲🇬⚖ Fananganantsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra izay notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera, R/toa RABY Savatsarah.
📌 Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nanolorany sy niarahabana ireo olona nahazo fanendrena vaovao :
– Ny Filoha voalohan’ny Fitsarana Tampony
– sy ny Talen’ny Kabinetran’ny Ministra.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌 Tohin’ny fampahafantarana mikasika ny solon-tsakafo na « Pension alimentaire » dia entina amintsika indray androany ireo tsara ho fantatra mahakasika ny paik’ady arahina eny amin’ny Fitsarana sy manodidina izany.

🔷 NY PAIK’ADY :
👉 Mahazo fiantsoana hiatrika fitsarana ny ray sy ny reny ary izy ireo irery ihany no manatrika izany fa tsy soloina tena,
👉 Didim-pitsarana mivoaka ampahibemaso no mametra ny solon-tsakafo aloan’ilay toriana amin’ny ankilany ary izany didy izany dia tanterahina avy hatrany na dia nanao fampakàrana Fitsarana Ambony aza izy.

🔷 MBOLA AZO ANGATAHANA FAMPIAKARANA NA FAMPIDINANA VE NY MARI-BOLA SOLON- TSAKAFO VOAFARITRA AO ANATY DIDY ?
➡Eny, raha toa ka misy fiovana eo amin’ny fidiram-bolan’ireo ray aman-dreny na ny filàn’ ireo zaza iombonana.
🔸 Ohatra : fiakaran’ny fandaniana momba ireo zaza iombonana, fiovana asa ka niteraka fihenana na fisondrotan’ny karama…
🔷 ARY AZON’ILAY NOTORIANA ATAO IHANY KOA VE NY MANGATAKA NY HAMPITSAHARANA MIHITSY ILAY FANDOAVANA SOLON-TSAKAFO ?
➡Eny, raha toa ka nafindra aminy ny fihazonana ny zaza iombonana