Posted in Autres Evenements

FIDINANANA IFOTONY TAO AMIN’NY KAOMININA AMBANIVOHITRA IKALALAO, FARITRA MATSIATRA AMBONY.

📌 Ho fanatanterahana ny Politikan’ny Fanjakana foibe amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana ny “FITSARANA MANAKAIKY VAHOAKA” dia nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ikalalao, Distrika Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony, ny Fitsarana ara-bola Fianarantsoa (Tribunal Financier de Fianarantsoa) nanatontosa fampiofanana sy fanaraha-maso ny fanantanterahana ny teti-bola. Izany dia notanterahana ny 21 sy 22 jolay 2022 lasa teo tao amin’ny Lapan’ny tanànan’ny Kaominina Ikalalao.

➡ Tonga nanatrika izany fampiofanana izany :
👉 Ny ben’ny tanàna, ireo lefitrin’ny ben’ny tanàna, ny filohan’ny filan-kevitra kaominaly, ny mpanolon-tsainan’ny filan-kevitra kaominaly, ny mpiasan’ny Kaominina Ikalalao ;
👉 Ny chef de poste-n’ny Zandarimaria ;
👉 Ny lehiben’ny CSB II ao an-toerana ;
👉 Ny Chef Zap sy ireo Directeur-n’ny EPP sy CEG ;
👉 Ireo Sefo fokontany sy ireo lefitrin’ny Sefo fokontany ;
👉 Ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana «Soa Maray Dia».

⭕ Fampiofanana momba ny :
👉 Andraikitra sahanin’ny Fitsarana ara-bola Fianarantsoa ;
👉 Famolavolana sy fifidianana ny teti-bolan’ny Kaominina ;
👉 Fomba fitantanana ny vola miditra sy ny vola mivoaka ao amin’ny Kaominina;
👉 Fangaraharana eo amin’ny fanantanterahana ny teti-bola eo anivon’ny Kaominina ;
👉 Fanaraha-maso eo amin’ny fanantanterahana ny teti-bola eo anivon’ny Kaominina.

✅ Nanatontosa ny fidinana ifotony:
🔹 RANDRIANARIVAHINY Dina Herimalala, Président du Tribunal Financier
🔹 RABEARISOA Rochel, Commissaire Financier
🔹 RAFITOHARSON Mandaniaina Michaël, Conseiller
🔹 RARIVOMANANTSOA Harivelo Tantely, Substitut.

Posted in Actualités

Fananganantsaina teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy.

🇲🇬⚖ Fananganantsaina teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana Atoa Rakotozafy François.

📌 Nandritra ny fananganantsaina androany 01 aogositra 2022 dia nanolotra fitaovam-pifandraisa­na « Talki-walki » ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, ho an’ireo mpiandry ny Fitsarana Tampony sy ny eo anivon’ny Fitsarana Ambony Antananarivo sy Fitsarana Ambaratonga Voalahany Anosy.

Posted in Autres Evenements

FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY.

✅ FANATSARANA NY FOMBA FIASA:
📌 Tonga nampivory ireo Mpitsara sy Mpirakidraharaha eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy anio 29 Jolay 2022 ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Birao Fandrindrana sy Fanaraha-maso ny Fitsarana sy ny Fonja (Bureau de Coordination et de Contrôle des Juridictions et des Etablissements Pénitentiaires na BCCJEP) izay notarihan’ny Mpandrindra R/toa RASOLONANAHARY Voloniaina.

⭕Fanatsarana ny fomba fiasa sy fihainoana ny olana sedraina sy hita eo amin’ny fanantaterahana ny asa.
Teboka maromaro no nodinihana tamin’izany:
– Fanarahamaso ny fampiharana ireo toromarika avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana amin’ny alalan’ny fampatsiahivana ireo “Circulaires”
– Fampahatsiahivana ny tokony hanarahana ny “Standard de Service »
– dinika arak’asa hitadiavana vahaolana hampihena ny fanemorana ny raharaha ho tsaraina
– fampahafantarana ny fomba fiasan’ny Fitaleavana miadidy ny Fanarahamaso ireo Fitsarana na DIJ rehefa mandray fitarainana (doléances)
– Fitadiavana vahaolana mikasika ny tsy fahatomombanana hita mandritry ny fitsirihana natao tamin’ny volana mey 2022.