Posted in Autres Evenements

Fanambarana ENMG.

📌Nifarana anio 26 Aogositra 2022 ny fifaninana hidirana ho Mpitsara eo anivon’ny Sekolim-pirenena Mpampiofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG).

➡ Eo anatrehan’ireo vaovao maro samihafa miely dia mitondra fanazavana sy fanamarinana ny Tale Jeneralin’ny Sekoly, A/­toa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY­ Anthony:
Voalohany mahakasika ilay mpianatra tratra dia nitondra “fiche” nangalana tahaka izy fa tsy nisy ny “fuite de sujet” akory, faharoa dia ny resaka sary laza-adina niparitaka tao anaty tamban-jotran-tseras­era, dia tao aorinan’ny fizarana ny laza-adina nandritra ny fanadinana no nisy namoaka, ary fahatelo farany, dia manamafy A/toa Tale Jeneraly fa ny laza-adina dia ny andro hanaovana ny fanadinana iny ihany no atao ny hakitsapaka ary izay vao hatonta “imprimena”, ka tsy misy na iza na iza mahafantatra izay ao ka izay no tsy nahalalàna ilay diso tsipelina.
Samihafa ny tompon’andraikitra eo amin’ny fikarakarana ny fanadinana; ao ny mpiandraikitra ny fanaraha-maso sy ny fizotran’ny fanadinana etsy ankilany, ary kosa ireo mpanara-maso ny fanomanana ny laza-adina etsy andaniny.

🎥🎤 Entina aminao ny fanazavana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Sekolim-pirenena Mpampiofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha, A/­toa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY­ Anthony.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA

📌Mitohy ny fizarana amintsika mikasika ny lohahevitra Fandraisana anjara amin’ny fandaniana ao an-tokantrano na « Contribution aux charges du ménage » ka ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fangatahana sy ny vola fanao an-tratra na provision tandrify amin’izany no entina amintsika androany.

🔷INONA AVY IREO TARATASY ILAINA ?
👉Taratasy fangatahana alefa amin’ny Lehiben’ny Fitsarana, misy ny adiresy mazavan’ny mpangataka sy ny toriana ary mamaritra mamazava tsara ny vola angatahana,
⭕ Fanamarihana : azon’ny mpangataka atao ny mangataka amin’ny Fitsarana ny hanapahana avy hatrany amin’ny karaman’ny toriana izany vola izany
👉Ny sora-panambadiana,
👉Ny sora-pahaterahan’ny zanaka,
👉Ny taratasy fanamarinana ny vola miditra amin’ireo mpivady (ohatra : fanamarinan-karama),
👉Ny taratasy rehetra manamarina ny fandaniana ao an-tokantrano (ohatra : rosia nandoavana ny sarampianaran’ny zaza, ny sakafo…)
⭕ Tsy voafetra ho ireo ny taratasy ilaina fa mety misy hafa ihany koa izay takian’ny Fitsarana.

🔷AVANTANA AMIN’IZA ARY IREO REHETRA IREO ?
Amin’ny Lehiben’ny mpirakidraharaham-pitsarana
🔷SARAN’NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA
Enina arivo sy roa alina Ariary (26.000 Ar).
Izay aloa ao amin’ny lehiben’ny mpirakidraharam-pitsarana ka manome rosia nandoavana izany.