Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌 Tohin’ny fampahafantarana mikasika ny solon-tsakafo na « Pension alimentaire » dia entina amintsika indray androany ireo tsara ho fantatra mahakasika ny paik’ady arahina eny amin’ny Fitsarana sy manodidina izany.

🔷 NY PAIK’ADY :
👉 Mahazo fiantsoana hiatrika fitsarana ny ray sy ny reny ary izy ireo irery ihany no manatrika izany fa tsy soloina tena,
👉 Didim-pitsarana mivoaka ampahibemaso no mametra ny solon-tsakafo aloan’ilay toriana amin’ny ankilany ary izany didy izany dia tanterahina avy hatrany na dia nanao fampakàrana Fitsarana Ambony aza izy.

🔷 MBOLA AZO ANGATAHANA FAMPIAKARANA NA FAMPIDINANA VE NY MARI-BOLA SOLON- TSAKAFO VOAFARITRA AO ANATY DIDY ?
➡Eny, raha toa ka misy fiovana eo amin’ny fidiram-bolan’ireo ray aman-dreny na ny filàn’ ireo zaza iombonana.
🔸 Ohatra : fiakaran’ny fandaniana momba ireo zaza iombonana, fiovana asa ka niteraka fihenana na fisondrotan’ny karama…
🔷 ARY AZON’ILAY NOTORIANA ATAO IHANY KOA VE NY MANGATAKA NY HAMPITSAHARANA MIHITSY ILAY FANDOAVANA SOLON-TSAKAFO ?
➡Eny, raha toa ka nafindra aminy ny fihazonana ny zaza iombonana