Posted in Autres Evenements

FANATSARANA NY FOMBA FIASA eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja.

📌 Tonga nampivory ireo Mpandraharaha ny Fonja miasa eto amin’ny Fonjaben’Antanimora ny alarobia 03 Aogositra 2022 ny Mpandrindra ny Birao Fandrindrana sy Fanaraha-maso ny Fitsarana sy ny Fonja (Bureau de Coordination et de Contrôle des Juridictions et des Etablissements Pénitentiaires na BCCJEP) R/toa RASOLONANAHARY Vololoniaina niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Fanatsarana ny fomba fiasa sy fihainoana ny olana sedraina sy hita eo amin’ny fanantaterahana ny asa ary indrindra fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly no tanjona amin’izany.

Posted in Autres Evenements

Fitsarana Ambaratonga Voalohany Fenoarivo-Antsinanana:

📌 Araka ny vaovao niely mahakasika ilay raharaham-pitsarana fanolanana zaza tsy ampy taona ka navotsitra dia mitondra fanazavana ny Tonia Mpampanoa Lalàna.

➡ Araka ny andininy faha-8 ao @ lalàna 2016-018 mikasika ny fepetra sy paika arahina ampiharina amin’ny ankizy nanao heloka dia tsy misy andraikitra ara-keloka na responsabilité pénale ny zaza latsaky ny 13 taona. Tsy azo enjehina na raisina ho tompon’andraikitra ara-keloka araka ny paika ady heloka fa misy kosa ny fahafahana mangataka onitra eny @ Fitsarana ady madio.

Fampiharana ny Lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena no natao ary nohazavaina tamin’ny manan-draharaha sy ny mpisitraka ny Fitsarana nandritra ny famoahana ny fanapahan-kevitra.

🎥 Atolotra anao ny fanazavana avy amin’ny sarin’ny TVM.