Posted in Actualités

Famindram-pitantanana ny Ministeran’ ny Fitsarana : Himasoana ny fitohizan’ny asam-pitsarana

➡️ Ny asa tsy maintsy mitohy, ary anaty fanatontosana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Mazava ny lalan-tsaina hoenti-manao izany dia : ny ny fametrahana tany tan-dalàna ; ny Fitsarana manakaiky vahoaka, ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, ny fampanajana ny Zon’Olombelona, ary ny fitantanana ny fonja. Eo ihany koa ny fanarenana sy fanamboarana ireo fotodrafitrasa (Fonja) nisy fahasimbana vokatry ny takaitra navelan’ny rivodoza Batsirai.

🔷Miaraka amin’ireo ny famitàna tanteraka ny asa fananganana fotodrafitrasa vaovao, anisany ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany, sy ireo Fonja amin’ny Faritra maro.

📌Tontosa soa aman-tsara androany Talata 15 Febroary 2022 teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra, ny famindram-pahefana teo amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana teo aloha, Atoa IMBIKI Herilaza, sy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Mpisolo toerana, sady Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy, Rtoa RAMAMPY Gisèle.

💡Tahaka izao ny fanazavana tamin’ny mpanao gazety, nentin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Mpisolo toerana, Rtoa RANAMPY Gisèle.

Posted in Autres Evenements

Fanohanana ny asam-pitsarana : Nahazo fitaovana avy amin’ny UNODC ny Ministeran’ny Fitsarana

📌Tontosa androany Alatsinainy 14 Febroary 2022 teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra, ny lanonana fanolorana fitaovana informatika sy ho an’ny birao, avy amin’ny Biraon’ny Firenena Mikambana miady amin’ny Zava-mahadomelina sy ny Heloka na UNODC. Fitaovana mitentina 108.000 Dolara, izay tafiditra indrindra ao anaty Fandaharan’asa Hiadivana amin’ny tsy Fandriam-pahalemana An-dranomasina na GMCP, aty amin’ny tapany Andrefana amin’ny Ranomasimbe Oseana indiana.

➡️Ireo dia atolotra ho an’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) ao Toamasina sy Mahajanga, ary ny Fitsarana Ambony (CA) ao Toamasina sy Mahajanga, ho fanohanana ny asan’izy ireo, sy ho fanatsarana ny lafiny fandriam-pahalemana an-dranomasina eto Madagasikara.

⭐ Toy izao avy ireo fitaovana :
Solosaina miisa 40, « Onduleurs » miisa 40, « Imprimantes » miisa 17, « Cartouches d’encre » miisa 27, « Armoires de bureau » 50 isa, seza miisa 240 ho an’ireo manan-draharaha, latabatra birao 100 ary seza birao 60.

🔷Zava-dehibe loatra ho an’ny Fitsarana Malagasy ny fahazoana azy ireo, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny haikajy mirindra sy ny nomerika izao. Nanolotra ireo fitaovana ny « Consultant National Point Focal » an’ny UNODC eto Antananarivo, Atoa HAMA Dimby Noëlson, nandray izany kosa ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle.

Posted in Annonces et Informations

Fanambarana

Posted in Autres Evenements

Ady amin’ny Covid-19 ao Tsiafahy: Voafonja 104 no vita vaksiny andiany I

📌 Tontosa androany Sabotsy 12 Febroary 2022, ny andiany voalohany amin’ny fanaovam-baksiny amin’ny ady amin’ny valanaretina Covid-19, ao amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy. Voafonja miisa 104 no vita vaksiny tamin’ity andiany voalohany ity. Ny vaksiny « Janssen » no natao. Mbola hitohy ny hetsika.

➡️ Araka ny vaovao nampitain’ny Lehiben’ny Fonjan’i Tsiafahy, ny « Contrôleur d’Administration Pénitentiaire » RABENATOANDRO Lahatra Willy, dia fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no nahatontosa ny hetsika. Safidy malalaka no nomena ireo voafonja amin’ny fanaovana ny vaksiny fa tsy an-tery.

💡 Mitondra fanampim-panazavana ny « Médecin Inspecteur Tanà Sud », Dokotera RASOLONDRAIBE Hasina.

Posted in Actualités

Sendikan’ny Mpiraki-draharaha : Mikarakara AG hanomanana ny fifidianana

📌 Amin’ny 18 Febroary izao no ho tontosaina ny fivoriambe (AG) an’ireo Mpiraki-draharaha, ho fanomanana ny fifidianana izay handrafitra ny birao vaovaon’ny Sendika. Efa tapitra fotoam-piasana tokoa mantsy ny birao ankehitriny, koa ny 04 Martsa izao no hanaovana ny fifidianana. Miisa 1.500 eo ho eo ireo Mpiraki-draharaha manerana an’i Madagasikara.

✳️ Nivoitra ireo androany Talata 08 Febroary 2022 teto Faravohitra, taorian’ny fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo solontena avy amin’ny komity mpikarakara ny fifidianana, tamin’ny Mpitahiry Fitombokasem-panjaka­na Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza.

💡Mitondra fanazavana misesy tahaka izao, Maitre JAONARY Patrick Solonaina, sy Maitre RAKOTOHERINAIVO Charleson.