Fanohanana ny asam-pitsarana : Nahazo fitaovana avy amin’ny UNODC ny Ministeran’ny Fitsarana

📌Tontosa androany Alatsinainy 14 Febroary 2022 teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra, ny lanonana fanolorana fitaovana informatika sy ho an’ny birao, avy amin’ny Biraon’ny Firenena Mikambana miady amin’ny Zava-mahadomelina sy ny Heloka na UNODC. Fitaovana mitentina 108.000 Dolara, izay tafiditra indrindra ao anaty Fandaharan’asa Hiadivana amin’ny tsy Fandriam-pahalemana An-dranomasina na GMCP, aty amin’ny tapany Andrefana amin’ny Ranomasimbe Oseana indiana.

➡️Ireo dia atolotra ho an’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) ao Toamasina sy Mahajanga, ary ny Fitsarana Ambony (CA) ao Toamasina sy Mahajanga, ho fanohanana ny asan’izy ireo, sy ho fanatsarana ny lafiny fandriam-pahalemana an-dranomasina eto Madagasikara.

⭐ Toy izao avy ireo fitaovana :
Solosaina miisa 40, « Onduleurs » miisa 40, « Imprimantes » miisa 17, « Cartouches d’encre » miisa 27, « Armoires de bureau » 50 isa, seza miisa 240 ho an’ireo manan-draharaha, latabatra birao 100 ary seza birao 60.

🔷Zava-dehibe loatra ho an’ny Fitsarana Malagasy ny fahazoana azy ireo, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny haikajy mirindra sy ny nomerika izao. Nanolotra ireo fitaovana ny « Consultant National Point Focal » an’ny UNODC eto Antananarivo, Atoa HAMA Dimby Noëlson, nandray izany kosa ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle.