Posted in Actualités

Fidinana ifotony nataon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana, A/­toa RAKOTOZAFY François eto Mahajanga

⚖️ Fidinana ifotony nataon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana, A/­toa RAKOTOZAFY François eto Mahajanga :
👉 Fihaonana tamin’ireo Tompon’andraiki-panjaka­na eto Mahajanga
👉 Fihaonana tamin’ireo mpiara-miasa (Mpitsara, Mpirakidraharaha ary Mpandraharahan’ny Fonja) sy fanomezana toromarika amin’ny fanatsarana ny asa.

Posted in Autres Evenements

Dinikasa sy fifampizarana entina hiadiana @ kolikoly sy fanondranana an-tsokosoko ny biby sy zavamanaina no ifotoran’ ny tetikasa

📸 Pejy an-tsary androany 31 Martsa 2022
⚖️ Dinikasa sy fifampizarana entina hiadiana @ kolikoly sy fanondranana an-tsokosoko ny biby sy zavamanaina no ifotoran’ ny tetikasa (FORUM DE PARTAGE DANS LE CADRE DU PROJET DE LUTTE CONTRE LA CORRUPTION ET LE TRAFIC D’ESPECES SAUVAGES) natao tao amin’ny CARLTON MADAGASCAR

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina natao tao amin’ny fonjamben’Antanimora

📸 Pejy an-tsary 28 Martsa 2022

⚖️ Ilaina hatrany ny fanajana ny asa.

🇲🇬 Nandritra ny fananganan-tsaina izay natao tao amin’ny fonjamben’Antanimora dia nanome hafatra vitsy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François fa ilaina hatrany ny fanajana ny asa ka anisan’izany ny fanajana ny lalàna, ny miasa amim-pahamarinana. Nosinganiny manokana ihany koa ny politika hitondrany ny Ministeran’ny Fitsarana, ka ao ny fanohizana ny asa tsara vitan’ny teo aloha ary hampiana ny fanovàna izay entiny. Nindraminy ny teny filamatry ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahan’ny Fonja fa mila miasa ao anaty “fanajana ny fitsipi-pifehezana, ny fahitsiana sy ny fahamarinana ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao” (Discipline, Intégrité et Professionnalisme) isika.

🔺 Nandritra ny fananganan-tsaina ihany koa dia nisy ny fandraisana ireo mpianatra ho Mpandraha

Posted in Autres Evenements

Fanazaran-tena nataon’ny Mpandraharahan’ny Fonja

📸 Pejy an-tsary 25 Martsa 2022

📌 Toy ny zavatra rehetra, dia ilaina ny fanazaran-tena. Izay no nahatonga an’ireo Mpandraharahan’ny Fonja nanao fanazaran-tena amin’ny fikirakirana ny fitaovam-piadiana (basy) teny amin’ny Toby Miaramila Langaina nanomboka omaly 24 sy androany 25 Martsa 2022.

➡️Tsiahivina fa efa ela izy ireo no tsy afaka nanao ity fanazaran-tena ity noho ny hamehana ara-pahasalamana nisy teto amin’ny Firenena.

🔷 Asa saro-pady ny asan’ny Fandraharahana ny Fonja indrindra fa ireo izay mpiandry akaiky ireo voafonja, ary fitaovana mahery vaika no ampiasaina ka mila fahaizana ny mifehy izany.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIKADY ARA-PITSARANA

📌 Hamaranantsika ny mikasika ireo trangam-piankohonana voalazan’ny lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mifehy ny fiankohonana ny mikasika ny fanariana anaka (rejet) sy ny fanjanahana (reconnaissance)

🔷 NY FANARIANA (REJET):
👉 Ny fanariana dia sazy ampiharina amin’ny zaza iray efa ampy taona, izay ataon’ny rainy, na ny reniny, na ny raiamandrenibe nipoirany na koa ny mpanangana azy ka mitarika ny faharavan’ny rohim-pianahana nampifandray ny mpanary sy ny nariana.
👉 Foana toy ny tsy nisy ny maha ray na reny na raiamandrenibe nipoirana eo amin’ny zanaka nateraka/taranaka ary ny maha zanaka/taranaka amin’ny ray na reny niteraka na raiamandrenibe nipoirana.
👉 Tsy mandova an’ireo izay nanary azy intsony noho izany ny zaza nariana.
👉 Didy avoakan’ny fitsarana ihany no manonona ny fanariana.

➡️ Porofon’ny fanarian’anaka : sora-panariana (acte de rejet) ataon’ny mpiandraikitra sora-piankohonana amin’ny alalan’io didim-pitsarana raikitra io.

🔷 NY FANJANAHANA (RECONNAISSANCE):
👉 Ny zanaka teraka tsy tao anatin’ny fanambadiana no anaovana fanjanahana.
👉 Ny fanjanahana dia ny fiaikena araka ny lalàna, an-tsitrapo ny maha ray niteraka ny zaza iray teraka talohan’ny fanambadiana na ivelan’ny fanambadiana. Afaka atao eo am-pahaterahan’ilay zaza izany na koa aty aoriana.
👉 Miteraka fianahana eo amin’ilay ray sy ilay zanany ny fanjanahana nataony.

⭐ Fomba fanaovana ny fanambarana :
Ambaran’izay ray te-hanjanaka ilay zaza:
👉 manoloana ny Mpiraki-tenim-panjakana (officier public) amin’ny alalan’ny sora-to na sora-toavina,
👉 manoloana ny Mpiandraikitra ny sora-piankohonana,
👉 amin’ny alalan’ny didy miafina (testament).
Porofon’ny fanjanahana : sora-panjanahana (acte de reconnaissance) ataon’ny Mpiraki-tenim-panjakana na ataon’ny Mpiandraikitra ny sora-piankohonana na didy miafina nataon’ilay ray niteraka.

🔷 TSARA HO FANTATRA :
👉 Manomboka amin’ity lalàna vaovao ity dia ho atao fitanana ara-haikajy mirindra (digitalisation) avokoa ny sora-piankohonana eto Madagasikara.
👉 Ity lalàna vaovao ity ihany koa dia nametraka ny fanomezana laharam-pamantarana manokana (identifiant unique) ho an’ny olona tsirairay avy.
➡️ Marihina moa fa mandeha tsikelikely sy an-tanan-tohatra avokoa ny fanatanterahana izany rehetra izany.