Posted in Actualités

Zon’ny fiarovana : Fihaonana teo amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Holafitry ny Mpisolo vava

📌 Mbola vitsy no mahalala momba ny zon’ny fiarovana eto Madagasikara amin’ny raharaham-pitsarana. Ohatra ny zo hahafahana manana Mpisolo vava voatendry. Santionany ihany io tamin’ireo lahadinika 5 nandrafitra ny fihaonana tontosa androany 07 Febroary 2022 teto amin’ny Tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra. Dinikasa niarahan’ireo solontenan’ny Holafitry ny Mpisolo vava notarihin’ny Filohany vaovao Maitre RAONDRY Alain, sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny Ministera, notarihin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa IMBIKI Herilaza.

➡️ Manoloana kosa ireo fanasoketana miely amin’ny tambazotran-tserasera sy fanaratsiana isan-karazany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa IMBIKI Herilaza, dia efa mandeha ny fanadihadiana, ary manentana ny daholobe ny tenany ho tony.

💡 Mitondra fanazavana misesy tahaka izao, ny Filohan’ny Holafitry ny Mpisolo vava, Maitre RAONDRY Alain, sy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa IMBIKI Herilaza.

Posted in Autres Evenements

Fitantanam-bola 2022 : Vita fiofanana ireo mpikirakira vola eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana

📌 Tarigetra ny fahaiza-mitantana. Ho an’ny fisokafan’ny Tetibolam-panjakana 2022, dia nanaraka fiofanana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny rehetra amin’ny fitantanam-bola eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana. Atrikasa notontosaina androany Alatsinainy 07 Febroary 2022, teny amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG) Tsaralalàna. Nampiofana sy nizara traikefa, ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Ministeran’ny Toe-karena sy ny Tetibola. Teboka maromaro no nifantohan’ny fiofanana. Ohatra ny pitsopitsony tsy maintsy hajaina, toy ny famoaham-bola anatiny, ny fiovan’ireo tompon’andraikitra voatendry, ny fandaniana mihoatra ny 20 tapitrisa Ariary, sns.

Zava-dehibe loatra ho an’ny firenena ny fananan’ireo mpikirakira volam-panjakana fahaizana sy traikefa amin’ny fanatontosany ny asany. Nanamafy izany tanaty lahateny fanokafana, ny Tale Jeneralin’ny Fandaharan’asa sy ny Fampitaovana (DGPR), Atoa RAVELOSON Aimé Gilbert.

Posted in Autres Evenements

Takaitra navelan’ny rivodoza Batsirai : Efa amboarina ireo fonja simba

📌Misy ireo fotodrafitrasa simba, ao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai. Ohatra ny fonja ao Ikongo sy Farafangana ary Vangaindrano, ary koa ny lapan’ny Fitsarana sy ny fonja ao Mananjary. Ho an’Ikongo manokana, dia voatery nafindra vonjimaika ao amin’ny « Lycée » ireo voafonja. Tsy afaka ny ajanona ao maharitra nefa izy ireo, koa tsy maintsy ho afindra ao amin’ny Ivotoerana ho an’ny Kolotsaina mandram-pahavitan’ny asa fanamboarana sy fanarenana ny fonja. Manome tanana ireo Mpandraharahan’ny Fonja amin’ny fiambenana ny avy amin’ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena.

✔️ Ho an’ny fonja ao Farafangana sy Vangaindrano dia efa vita ny asa fanamboarana ireo tafo nentin’ny rivotra. Ho an’ny Lapan’ny Fitsarana ao Mananjary, dia voaaro tsara ireo antontan-taratasy na dia nisy ny fahavakisan’ireo fitaratra sy fahasimbana. Hatomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana. Ho an’ny fonja, dia nafindra ao amin’ny toeram-pivavahana ny voafonja miisa 59.

💡 Mitondra fanazavana tahaka izao, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety androany 07 Febroary 2022 teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra.