Posted in Actualités

Lanonana ara-miaramila famindram-pahefana amin’ny fibaikoina (passation de commandement) eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja eto Madagasikara.

📸 Pejy an-tsary Zoma 25 Febroary 2022 – CCI Ivato:
⚖️ Lanonana ara-miaramila famindram-pahefana amin’ny fibaikoina (passation de commandement) eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja eto Madagasikara.
⭐ Nandray ny toerany ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja vaovao (DGAP), ny « Inspecteur en Chef de l’Administration Pénitentiaire » IRAMANJAFINIMALO Rafaly Oméga.

⚖️ Fandraharahana ny Fonja Malagasy :
« Hanatsara hatrany isika » hoy ny DGAP

📌 Hanatsara hatrany araka ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Ohatra ihany ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanajana ny Zon’olombelona. Mazava ny tarigetra, sy ireo toromarika ho an’ny tontolon’ny Fandraharahana ny Fonja eto Madagasikara.

👉 Tontosa androany Zoma 25 Febroary 2022, teny amin’ny CCI Ivato, ny lanonana ara-miaramila, famindram-pahefana eo amin’ny fibaikoina (Passation de commandement) eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja eto Madagasikara.

⭐ Nandray ny toerany sy ny fibaikoina, ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja (DGAP) vaovao, ny « Inspecteur en Chef de l’Administration Pénitentiaire » IRAMANJAFINIMALO Rafaly Oméga.

➡️ Nitarika ny lanonana, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana mpisolo toerana, Rtoa RANAMPY DAMA Marie Gisèle, notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana, izay teo ambany fiahian’Atoa Praminisitra Lehiben’ny Governemanta.

💡 Tahaka izao ny fanazavana nomen’Atoa DGAP, ny « Inspecteur en Chef de l’Administration Pénitentiaire » IRAMANJAFINIMALO Rafaly Oméga.

Posted in Annonces et Informations

Fampahafantarana lalàna:

👉 Indro ampahafantarina antsika mpanaraka ny pejy, mandritra ny herinandro maromaro ny mikasika ny lalàna vaovao momba ny fiankohonana (état civil).

📌 Raha ny lalàna laharana 61-025 tamin’ny 09 oktobra 1961 no nifehy ny fiankohonana hatramin’izay, dia niova ho ny lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 Febroary 2019 no mifehy izany manomboka izao.

⭐ IRETO AVY IREO TOKONY HO FANTANTSIKA MIKASIKA NY FIANKOHONANA SY IREO FANOVANA NENTIN’NY LALANA VAOVAO MIKASIKA IZANY :
🔶 1- Inona no atao hoe fiankohonana (état civil) ?
🔹Ny fiankohonana dia fitambarana singa hamantarana olona iray sy ny toerana misy azy eo anivon’ny fianakaviana sy fiaraha-monina, izay mamaritra ny fahafahany manao sy ny fahazoany manatontosa soratra araky ny lalàna.
Ohatra : teraka, manambady, maty vady, nisara-bady, maty ….

🔶 2- Inona indray no antsoina hoe sora-piankohonana (acte d’état civil) ?
🔹Ny sora-piankohonana dia soratra iray izay aneken’ny manam-pahefana ara-panjakana amin’ny fomba toavina ho misy ny trangan-javatra iray izay iankinan’ny mombamomba ny olona iray.

🔶 3- Inona no ilàna ny bokim-piankohonana (livret de famille) ?
🔹Bokim-pianakaviana no tena ahalalan’ny maro azy,
🔹Hanoratana sy handikàna isaky ny vanim-potoana sy isan-taona ny fanambarana ny sora-piankohonana voaray,
🔹Hametrahana ireo filazana an-tsisiny araky ny fotoana voatondro hanoratana azy ao anatin’ny sora-piankohonana,
🔹 Porofo aseho rehefa hikarakara taratasy ara-panjakana

🔶 4- Inona no atao hoe trangam-piankohonana (faits d’état civil) ?
🔹Ny trangam-piankohonana dia ireo zava-miseho mandritra ny fiainan’ny olona iray izay mety hanova ny fiankohonany.
👉 Ireto avy ireo karazana trangam-piankohonana:
– ny fahaterahana (naissance),
– ny fahafatesana (décès),
– ny fanambadiana (mariage),
– ny fisaraham-panambadiana (divorce),
– ny fananganana (adoption),
– ny fianahana (filiation),
– ny fanariana (rejet),
– ny fanjanahana (reconnaissance)

📌 Hojerentsika tsirairay indray ny mikasika ireo trangam-piankohonana ireo amin’ny herinandro
✔️ Natolotry ny Sampandraharan’ny Fanapariahana Lalàna (Service de la Vulgarisation Juridique) ao amin’ny Foibem-pitondrana Fandinihana sy Fanavaozana Lalàna (Direction des Etudes et des Réformes Législatives – DERL) eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.