Posted in Actualités

Famindram-pitantanana ny Ministeran’ ny Fitsarana : Himasoana ny fitohizan’ny asam-pitsarana

➡️ Ny asa tsy maintsy mitohy, ary anaty fanatontosana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Mazava ny lalan-tsaina hoenti-manao izany dia : ny ny fametrahana tany tan-dalàna ; ny Fitsarana manakaiky vahoaka, ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, ny fampanajana ny Zon’Olombelona, ary ny fitantanana ny fonja. Eo ihany koa ny fanarenana sy fanamboarana ireo fotodrafitrasa (Fonja) nisy fahasimbana vokatry ny takaitra navelan’ny rivodoza Batsirai.

🔷Miaraka amin’ireo ny famitàna tanteraka ny asa fananganana fotodrafitrasa vaovao, anisany ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany, sy ireo Fonja amin’ny Faritra maro.

📌Tontosa soa aman-tsara androany Talata 15 Febroary 2022 teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra, ny famindram-pahefana teo amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana teo aloha, Atoa IMBIKI Herilaza, sy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Mpisolo toerana, sady Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy, Rtoa RAMAMPY Gisèle.

💡Tahaka izao ny fanazavana tamin’ny mpanao gazety, nentin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Mpisolo toerana, Rtoa RANAMPY Gisèle.