Sendikan’ny Mpiraki-draharaha : Mikarakara AG hanomanana ny fifidianana

📌 Amin’ny 18 Febroary izao no ho tontosaina ny fivoriambe (AG) an’ireo Mpiraki-draharaha, ho fanomanana ny fifidianana izay handrafitra ny birao vaovaon’ny Sendika. Efa tapitra fotoam-piasana tokoa mantsy ny birao ankehitriny, koa ny 04 Martsa izao no hanaovana ny fifidianana. Miisa 1.500 eo ho eo ireo Mpiraki-draharaha manerana an’i Madagasikara.

✳️ Nivoitra ireo androany Talata 08 Febroary 2022 teto Faravohitra, taorian’ny fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo solontena avy amin’ny komity mpikarakara ny fifidianana, tamin’ny Mpitahiry Fitombokasem-panjaka­na Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza.

💡Mitondra fanazavana misesy tahaka izao, Maitre JAONARY Patrick Solonaina, sy Maitre RAKOTOHERINAIVO Charleson.