Posted in Autres Evenements

Fitsarana ara-bola ao Fianarantsoa: Tafapetraka amin’ny toerany ny Lehiben’ny Fampanoavana vaovao

Miroso ny ezaka fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana eto Madagasikara. Tontosa ny Zoma 12 Febroary 2021 ny fotoam-pitsarana manetriketrika nametrahana tamin’ny toerany ny Lehiben’ny Fampanoavana vaovao ao amin’ny Fitsarana ara-bola ao Fianarantsoa, dia Atoa RABEARISOA Rochel. Nandritra ny lahateny nataony, no nanambarany fa tsy handraraka ilo mby an-doha izy, ary vonona ny hanao izay haha-lavorary amim-pahamendrehana sy amim-pahamarinana ny andraikitra izay napetraka aminy, mba ho reharehan’ny Fitsarana ara-bola sy ny Fitsarana momba ny Kaonty ary ny Fitsarana amin’ny ankapobeny. Notsindriany manokana ny teny filamatry ny Fitsarana ara-bola manao hoe: « Fangaraharana (Transparence) – Tamberin’andraikitra (Redevabilité) –Fahombiazana (Performance) ».

Nisolo tena an’Atoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny FItsarana nandritra izao fotoam-pitsarana manetriketrika izao, ny Tale Jeneralin’ny Raharaham-pitsarana sy ny Fandinihana ary ny Fanavaozana (DGAJER) Rtoa RANDRIANARISOA Salohy Norotiana. Nanotrona azy Rtoa Tale misahana ny Zon’olombelona sy ny Fifandraisana Iraisam-pirenena (DDHRI). Nanatrika ny fotoana ihany koa ny Filohan’ny Fitsarana momba ny Kaonty, ny Kaomisera Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana, sy ny Filohan’ny Rantsana ao amin’ny Fitsarana momba ny Kaonty sy ireo avy amin’ny Filankevitra Ambony ho an’ny Mpitsara (CSM) ary ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny ao Fianarantsoa.

Nandritra ny kabary nataon-dRtoa DGAJER dia nomarihiny ny maha-zava-dehibe ny andraikitry ny Fitsarana, amin’ny alalan’ny Fitsarana ara-bola, amin’ny fametrahana fanjakana tsara tantana eny ifotony sy ny sy ny fahadiovan’ny kaontim-pitantanan’ny vondrom-bahoakam-paritra hitsinjaram-pahefana.

Ireto avy ireo vondrom-bahoakam-paritra hitsinjaram-pahefana izay iandraiketan’ny Fitsarana ara-bola ao Fianarantsoa:
Ireo Faritra 5, izay mandrafitra ny Faritanin’i Fianarantsoa
Kaominina an-drenivohitra miisa 10
Kaominina ambanivohitra sokajy voalohany miisa 12
Kaominina ambanivohitra sokajy faharoa miisa 370.

Posted in Actualités

Cour d’Appel d’ Antananarivo : Fianianana sy fametrahana ofisialy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony

Pejy an-tsary androany Alakamisy 11 Febroary 2021:
Fianianana sy fametrahana ofisialy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Rtoa RAZAFIARIVONY Berthine.
(Installation du nouveau Procureur Général Près la Cour d’Appel d’ Antananarivo. Mme RAZAFIARIVONY Berthine).

Posted in Actualités

Mahajanga : Fotoam-pitsarana manetriketrika nametrahana ny Filoha vaovao eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) Mahajanga

Pejy an-tsary: Fotoam-pitsarana manetriketrika nametrahana ny Filoha vaovao eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) Mahajanga dia Rtoa TSIMIAVA Jessica Marie Claude, sy ny Tonia Mpampanoa Lalàna (PR), Atoa RATSIMANDRANTO Jean Jacques William, androany Zoma 05 Febroary 2021, Mahajanga

Posted in Actualités

Mahajanga : Fandrosoan’ireo asa fampifandraisana (digitalisation INFOTPI, INFOTF, INFOTA)

Pejy an-tsary androany Zoma 05 Febroary, avy any Mahajanga :

Fandrosoan’ireo asa fampifandraisana (digitalisation INFOTPI, INFOTF, INFOTA) eo amin’ireo Tribonaly sy Rafi-pitsarana telo karazana (Fitsarana Ambaratonga Voalohany na TPI, Fitsarana misahana ny Ara-bola na TF ary ny Fitsarana misahana ny Raharaham-panjakana na TA) miaraka amin’ireo solontenan’ny Vondrona Eoropeana sy ny Tetikasa « Ny Fanjakana ho an’ny Daholobe » (NFD).

Posted in Autres Evenements

Andro faharoa amin’ny Andron’ny Talem-paritra misahana ny Fandraharahana ny Fonja (DRAP)

Santionany amin’ireo lohahevitra androany : ny fampandrosoana ny asa fambolena sy fanodinana vokatra amin’ireo tobim-pamokarana miankina amin’ny fonja (camps pénaux), ny ady atao amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19, ny fifaninanana anaty fanjarian’ny fitantanana (culture d’excellence), ny sata sy rafi-draharaha (organigramme) mifehy ireo DRAP.