Posted in Actualités

Fandrarahana ny fonja : Fotodrafitrasa vaovao maro notokanana

Manomboka mioty ny vokatry ny asa ny Ministeran’ny Fitsarana. Fitokanana fotodrafitrasa vaovao no tontosa androany zoma 29 janoary 2021 teto amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Fandrarahana ny Fonja (ENAP) teto Antetezambaro.

Efitrano lehibe fampianarana, efitrano fatoriana misaraka ho an’ny lahy sy ny vavy, efitrano fakan’aina, toeram-ponenan’ny mpiasa no voaorina eto amin’ny ENAP. Nanatrika ny lanonana ireo olo-manan-kaja sy tompon’andraikitra maro, na avy any Antananarivo na ny avy eto Toamasina, ary ireo avy amin’ny Faritra hafa.

Posted in Actualités

Fotoam-pitsarana manetriketrika fametrahana ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) Toamasina

Fotoam-pitsarana manetriketrika fametrahana ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) Toamasina, Atoa Benjamin TATAFRAKY, sy ny Filoha Lefiny Rtoa Tsidiana Cédrica MAGO.

Fampahafantarana ireo tompon’andraikitra vaovao eo anivon’ny Tribonaly eto amin’ny fari-pifehezan’ny Fitsarana Ambony (CA) Toamasina : Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Moramanga, Atoa RANDRIANJARASOA Jhonson, Tonia Mpampanoa Lalàna ao Fénérive Est, Rtoa VOLAZARA Mamy, Tonia Mpampanoa Lalàna ao Vatomandry, Atoa RANDRIAMALAZAFENO Mahery, ary ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao Maroantsetra, Atoa RAZAFINDRAMASY Faralahy Célestin

Posted in Actualités

Fitandroana ny fandriam-pahalemana: Basy sy bala natolotra ho an’ny Ministeran’ny Fitsarana

Tontosa androany hariva teny amin’ny Toby Ratsimandrava ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy fitaovam-piadiana avy amin’ny Sekreteram-panjakana­ miadidy ny Zandarimariam-pirene­na (SEG) ho an’ny Ministeran’ny Fitsarana, sy ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka.

Araka ny baiko sy toromarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Atoa Andry Rajoelina, dia miara-misalahy ireo mpisehatra rehetra amin’ny fandriam-pahalemana.­

Ho fifanampiana, dia natolotra androany ho an’ny Ministeran’ny Fitsarana ireo basy ( D 7,5 mm – modèle 1936 type MAS – Manufacture d’armes de Saint-Etienne) sy bala maro miaraka aminy (balles ordinaires- modèle 29C). Ho an’ny Mpandraharahan’ny fonja avokoa ireo.

Natolotra ho an’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka kosa ireo ambina basy sy bala, samy mitovy marika sy modely avokoa amin’iretsy voalaza etsy ambony. Marihina fa basy sy bala samy manana ny laharany mazava tsara tsirairay avy avokoa ireo.

Nanatrika ny fanolorana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny Jeneraly, Sekreteram-panjakana­ miadidy ny Zandarimariam-pirene­na (SEG) ary ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na Minisitry ny Fitsarana (GSMJ), notronin’ireo manam-boninahitra sy sivily tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ireo Ministera tsirairay avy.

Mbola mety hisy ny fanomezana hafa amin’ny manaraka hoy ny SEG.

Posted in Actualités

Tetikasa fanamafisana ny tany tan-dalàna : Fampitaovana mitentina 200.000 $ natolotry ny PNUD

Mandroso ny asa sy ezaka fanatsarana ny sehatry ny fitsarana eto Madagasikara. Tontonsa androany maraina tety amin’ny Ministera ety Faravohitra ny fanolorana tamim-pomba ofisialy ireo fanomezana avy amin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD). Fampitaovana izay mitentina 200.000 USD, avy amin’ny famatsiam-bolan’ny PNUD, ary tafiditra anatin’ny tetikasa fanamafisana ny tany tan-dalàna, amin’ny ankapobeny. Anisany ireo solosaina sy ireo fitaovana informatika isan-karazany, ary fampitaovana ho an’ireo birao. Eo ihany koa ny fampitaovana amin’ny ady atao amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 eny anivon’ny fonja, toy ny kidoro sy « gel désinfectant ».

Porofo fanohanan’ny PNUD ny ezaka tanterahina eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana ho fanatsarana ny asam-pitsarana sy ny fandraharahana ny fonja izao. Toy izao avy no ho fitsinjarana ireo fampitaovana sy ireo hisitraka izany : ireo fitaleavana eto anivon’ny Ministera foibe, ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany any Ankazoabo, Fianarantsoa, Ambovombe, Ampanihy, Tolagnaro, ny Fitsarana an-Tampony, ireo Fitsarana Ambony eto Antananarivo, ao Fianarantsoa, ao Toliara. Tsy ho diso anjara ny fandraharahana ny fonja sy ireo Trano Aro Zo eto Antananarivo, ao Tolagnaro, ao Toliara, ao Manakara, ao Mananjary ary ao Farafangana.

Nambaran’ny Solontena Maharitry ny PNUD eto Madagasikara, Rtoa Natasha Van Rijn, fa izao no natao dia mba ho fanosehana ny ezaka amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny hoenti-manana eo anivon’ny Fitsarana, hanafainganana ny raharaham-pitsarana ho fitandroana ny zon’ny vahoaka. Eo ihany koa ny fanatsarana ny tontolon’ny fonja, indrindra amin’izao ady amin’ny valanaretina Covid-19 izao.

Nandritra ny lahateny nataony kosa, dia nohamafisin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo fa vonona hatrany ny Ministera tarihiny, hanohy ny ezaka rehetra ho fanatsarana ny asa. Tanjona ihany koa ny fanatsarana ny tontolon’ny fonja, mba ho fitandroana ny zon’ireo voafonja.
Nomarihiny manokana ny fanaraha-maso akaiky ny fahatongavan’ireo fitaovana tsirairay avy any amin’ireo izay tokony hisitraka izany ary ny fampiasana sy fikajiana azy ireo.

Posted in Annonces et Informations

Ireo lehibe vaovao mitantana ny tribonaly rehetra mandrafitra ny fari-pifehezan’ ny Fitsarana Ambony ao amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa