Posted in Autres Evenements

Fanendahana Mpandraharahan’ny Fonja teny 67 Ha : Nidoboka am-ponja ireo totakely 4 mianadahy

 

Ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra. Olona miisa 4, ka lehilahy ny telo ary vehivavy ny iray, no naiditra am-ponja vonjimaika (MD) rehefa avy niakatra Fampanoavana tetsy Anosy androany 19 Febroary 2021. Ireo lehilahy telo any Tsiafahy ary ilay vehivavy kosa etsy Antanimora. Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny heloka bevava (BC) izy ireo ny 16 Febroary 2021, noho ny raharaha fanendahana Mpandraharahan’ny Fonja.

Teny 67Ha no nanaovan’izy ireto ny asa ratsiny, izay tsy vao voalohany izao. Mpandraharahan’ny Fonja avy any Arivonimamo, nody hariva rehefa avy nanatitra voafonja teny Antanimora ny harivan’ny 16 Febroary 2021 no voadaroka tamin’ny hazo sy voan’ny sabatra ka naratra mafy tokoa: vokany, very tamin’izany ny basy iray marika MAT 49.
Andro vitsy monja taorian’ny namelezany ireo Mpandraharahan’ny Fonja, dia vehivavy miisa roa miasa amina orinasa tsy miankina eny 67 Ha no lasibatr’ireto totakely, ary nampiasany ny basy nendahiny tamin’ireo Mpiandry Fonja.
Taorian’ny fisamborana azy ireo, dia efa niverina amin’ny tompony ny basy very. Mbola misy olona miisa 4 karohina momba ity raharaha ity.

Posted in Autres Evenements

Fampiasana taratasy hosoka ao amin’ny TPI: Lehilahy iray 44 taona naiditra MD

Mitondra ny vokatra ny antso natao sy ny ezaka mitohy amin’ny fanatsarana ny asam-pitsarana eto Madagasikara. Herinandro monja taorian’ny fanentanana, dia olona iray no tratra amin’ny fanaovana taratasy hosoka teo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) Antananarivo. Lehilahy 44 taona, antsoina hoe RASOLOFO Heritiana, ary mampianatra ao amin’ny sekoly iray etsy Ilafy Avaradrano izy ity. Niakatra Fampanoavana androany 19 Febroary 2021 ny raharaha, ary naiditra am-ponja vonjimaika (MD) ity mpanao hosoka, efa ananan’ny polisim-pirenena antotan-taratasy hafa ihany koa.
Mpampianatra iray namany ihany no nanaovany fisandohana amin’ny resaka tany ho vidiana, ka efa nahazoany vola mitentitna 4 hetsy ariary mahery tao anatin’izao raharaha izao. Rosia sandoka sy fitomboka sandoka avokoa ireo nampiasainy. Rehefa narirariran’ilay mpisandoka ity olona voany, dia nanatona ny Filohan’ny TPI nanontany sy nampiseho ireo taratasy teny am-pelan-tanany. Ny Filohan’ny TPI no niantso fiaraha-miasa haingana niaraka tamin’ny polisim-pirenena misahana ny heloka bevava. Natao ny velam-pandrika, ka izao tratra izao ity mpisandoka. Noho ny fisian’ny antso avo nataon’ny eo anivon’ny TPI ho an’ny vahoaka, dia ny fanatonana tsy mihambahamba ny Fitsarana mamontany ny fahamarinan’ny didy nivoaka, no nahazoana izao vokatra izao.
Nanamafy Rtoa Lehiben’ny Mpiraki-draharaha (Greffier en Chef) eo anivon’ny TPI fa eny amin’ny Fitsarana irery ihany no hahazoana ny matoan-didy marim-pototra. Tsy hisy indra-fo ho an’ireo izay tratra manao hosoka. Nanentana manokana ny tenany indrindra momba ny raharaha mahakasika ny resa-tany, izay matetika no hisehoan’ny fanaovana hosoka toy izao. Tokony tsy hisalasala ny olona manatona ny Fitsarana hoy hatrany Rtoa Lehiben’ny Mpiraki-draharaha eo anivon’ny TPI Anosy.
Hitohy hatrany izao ezaka fanatsarana izao, iaraha-misalahy amin’ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny, toy ny eo anivon’ny Fananan-tany sy ny mpitandro ny filaminana.