Posted in Autres Evenements

Antalaha : Heloka ataon’ny ankizy tsy ampy taona

Ny 22, 23, 24 febroary 2021 teo no notanterahina tany Antalaha ny iraka fanitarana ny fepetra fahafahana arahi-maso izay voatondro ao amin’ny Lalàna laharana 2016.018 tamin’ny 22 aogositra 2016 mikasika ny fepetra sy paika arahina ampiharina amin’ny ankizy nanao heloka.
Izany iraka izany dia notanterahina teo ambany fitarihan-dRamatoa Tale Jeneraly ny Foibem-pitondrana Ankapobeny ny Raharaham-pitsarana, ny fandinihana sy fanavaozana ny lalàna mba ho fametrahana ny fepetra fahafahana arahi-maso any amin’ny faritry SAVA ary niarahana tamin’ny Unicef sy ny Fikambanana « Grandir Dignement » izay miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Fitsarana amin’ny fanatanterahana ny asa atao amin’izany fepetra asolo ny famonjana izany.
Tao anatin’izany iraka izany no nanaovana fihaonana niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra tao an-toerana izay hiara-hiasa amin’ny fanatanterahana ny fepetra fahafahana arahi-maso narahina fihaonana tamin’ny mpikambana ao amin’ ny tambazotra fiarovana ny zaza. Nisy ihany koa ny atrikasa natao niaraka tamin’ny Mpitsara ny zaza tsy ampy taona sy ireo Mpitsara rehetra teo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antalaha.
Marihina fa ny fahafahana arahi-maso dia fepetra iray asolo ny famonjana ka mametraka ny ankizy nanao heloka hitoetra eo anivon’ny fianakaviany ihany saingy eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana . Izany fanaraha-maso izany dia iantohan’ny mpiasa ara-tsosialy izay misahana ny fanarenana ny zaza. Ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Antalaha no Fitsarana faha-efatra nametrahana ny fepetra fahafahana arahi-maso tao aorian’ny Fitsarana ao Antananarivo, Mahajanga ary Antsiranana.
Nararaotina tao anatin’izany iraka izany ihany koa ny fitsidihana ny faritry ny fonja misy ny ankizy sy ny vehivavy ao amin’ny Fonjan’Antalaha ka niarahana hatrany tamin’ny Unicef sy ny Fikambanana « Grandir Dignement » izay manohana ihany koa ny ankizy voafonja amin’ny lafiny ara-tsakafo sy manampy amin’ny fanarenana azy ireo.