Posted in Annonces et Informations

Sekoly ENMG : tranonkala vaovao sy fanolorana ny plateforme E-learning

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny Taona arivo fahatelo ankehitriny ny sekoly ka miarahaba ny Mpitsara sy ny Mpirakidraharaha rehetra manerana ny Nosy. Manasa antsika rehetra hitsidika ny tranonkalan’ny sekoly ao @adiresy www.enmg.org.mg . Singanina manokana amin’ny zavatra rehetra hita ao ny fanolorana tsotra ny plateforme E-LEARNING izay efa azontsika rehetra sitrahina ihany koa manomboka izao. Ny sitraka rehetra ho an’ny ekipa mpiara-miasa nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka. Kasaina ho avy tsy ho ela ny concours. Mazotoa mitsiditsidika.

Posted in Annonces et Informations

ENAP : Lisitr’ireo mpiadina voatazona sy ireo tsy ho afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana

Ny andro sisa no isaina, dia ho tanterahina ny fifaninanana hidirana ao amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Fandraharahana ny Fonja (ENAP) ao Antetezambaro – Toamasina. Mpiadina 500 no ho raisina aorian’ny fifaninanana ho tontosaina ny 13, 14, 15 Martsa 2021 manerana ireo ivon-toerana miisa 14 hanaovana ny fanadinana manerana ny Nosy.

Efa azo jerena ny peta-drindrina eny amin’ny Biraon’ny DRAP sy fonja manerana ny Nosy misy ny lisitra ho an’ireo mpiadina voatazona sy ireo tsy ho afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana. Manomboka amin’ny herinandro ho avy io ny fizaràna ny taratasy fampiantsoana amin’ny fifaninanana. Atolotra ho antsika izao eto ireto ireo lisitra.

Lisitr’ireo afaka manao ny fifaninana:

Lisitr’ireo tsy afaka manao ny fifaninana:

** (Tsindrio isaky ny centre hahafahanao manokatra ny rohy)

Toy izao ny fanampim-panazavana entin’ny Talen’ny ENAP, ny IAP en Chef RAZAFINTSALAMA Désiré.

 

Posted in Annonces et Informations

Pôle Anti-Corruption Prorogation du Dépôt de Dossiers de Candidatures pour le PAC Antananarivo, Mahajanga et Fianarantsoa

TELECHARGER LE FICHIER

 

TELECHARGER LE FICHIER

Posted in Autres Evenements

Torolalana ho amin’ny fanadihadiana: Nanatontosa atrikasa ny eo anivon’ny DPI

Nikarakara atrikasa natao ny Talata 02 martsa 2021, tao amin’ny tranombokin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny « Direction de la Promotion de l’intégrité » DPI.

Tanjona ny hamolavolàna sy hamoahana Torolalana ho amin’ny fanaovana fanadihadiana.

Posted in Actualités

Tsiafahy : Fambolen-kazo Ministeran’ny Fitsarana

Pejy an-tsary androany 01 Martsa 2021:
Fambolen-kazo Ministeran’ny Fitsarana.
Mpiasa 1.300 mahery no tonga teny amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tsiafahy.