Posted in Autres Evenements

Fitsarana ara-bola ao Fianarantsoa: Tafapetraka amin’ny toerany ny Lehiben’ny Fampanoavana vaovao

Miroso ny ezaka fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana eto Madagasikara. Tontosa ny Zoma 12 Febroary 2021 ny fotoam-pitsarana manetriketrika nametrahana tamin’ny toerany ny Lehiben’ny Fampanoavana vaovao ao amin’ny Fitsarana ara-bola ao Fianarantsoa, dia Atoa RABEARISOA Rochel. Nandritra ny lahateny nataony, no nanambarany fa tsy handraraka ilo mby an-doha izy, ary vonona ny hanao izay haha-lavorary amim-pahamendrehana sy amim-pahamarinana ny andraikitra izay napetraka aminy, mba ho reharehan’ny Fitsarana ara-bola sy ny Fitsarana momba ny Kaonty ary ny Fitsarana amin’ny ankapobeny. Notsindriany manokana ny teny filamatry ny Fitsarana ara-bola manao hoe: « Fangaraharana (Transparence) – Tamberin’andraikitra (Redevabilité) –Fahombiazana (Performance) ».

Nisolo tena an’Atoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny FItsarana nandritra izao fotoam-pitsarana manetriketrika izao, ny Tale Jeneralin’ny Raharaham-pitsarana sy ny Fandinihana ary ny Fanavaozana (DGAJER) Rtoa RANDRIANARISOA Salohy Norotiana. Nanotrona azy Rtoa Tale misahana ny Zon’olombelona sy ny Fifandraisana Iraisam-pirenena (DDHRI). Nanatrika ny fotoana ihany koa ny Filohan’ny Fitsarana momba ny Kaonty, ny Kaomisera Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana, sy ny Filohan’ny Rantsana ao amin’ny Fitsarana momba ny Kaonty sy ireo avy amin’ny Filankevitra Ambony ho an’ny Mpitsara (CSM) ary ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny ao Fianarantsoa.

Nandritra ny kabary nataon-dRtoa DGAJER dia nomarihiny ny maha-zava-dehibe ny andraikitry ny Fitsarana, amin’ny alalan’ny Fitsarana ara-bola, amin’ny fametrahana fanjakana tsara tantana eny ifotony sy ny sy ny fahadiovan’ny kaontim-pitantanan’ny vondrom-bahoakam-paritra hitsinjaram-pahefana.

Ireto avy ireo vondrom-bahoakam-paritra hitsinjaram-pahefana izay iandraiketan’ny Fitsarana ara-bola ao Fianarantsoa:
Ireo Faritra 5, izay mandrafitra ny Faritanin’i Fianarantsoa
Kaominina an-drenivohitra miisa 10
Kaominina ambanivohitra sokajy voalohany miisa 12
Kaominina ambanivohitra sokajy faharoa miisa 370.