FAHAVAKISAN’NY FONJAN’IKONGO.

📌 Tonga namaky ny fefin’ny fonjan’Ikongo vita amin’ny fanitso ireo andian’olona mpikomy, ka nanery ireo voafonja hivoaka ny toeran nitazonana azy ireo.
Tsy nisy ny fanoherana nataon’ireo mpiandry fonja araka ny toro-marika azon’izy ireo.
✔️ Marihina fa fonja vonjimaika izay natao tamin’ny fefy fanitso no nisy azy ireo, noho ny faharavan’ny fonjabe nandritra ny rivodoza Batsiray. Ary tsy nisy voafonja nitsoaka tao anatin’izay fotoana izay na dia efa nafindra in-telo aza izy ireo, noho ny fandraisana andraikitra nataon’ireo mpandraharahan’ny fonja.
🔷 Efa manomboka miverina tsikelikely eny anivon’ny fonja vonjimaika nitazonana azy sy ny tomponandraikitra ireo voafonja amin’izao fotoana izao, ary manomboka milamina ny toe-draharaha any an-toerana.
✈️ Nidina ifotony any Ikongo A/toa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana.

📷 Sary fanehoana ny fonja rava sy ny Fonja vonjimaika nitazonana ireo voafonja talohan’ny fahavakisana.