Sekolim-pirenena ho an’ny Mpitsara sy Mpiraki-draharaha : Fifaninanana roa no tanjona amin’ny 2021

Vonona tanteraka ny eo anivon’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG) amin’ny fandaharan’asa 2021. Tanjona voalohany ny fikarakarakana ny fifaninanana miisa 2 hidirana etsy Tsaralalàna. Ny voalohany dia amin’ny enim-bolana hiandohan’ny taona ho avy, ary ny faharoa kosa dia mandritra ny enim-bolana farany. Tombana sy vina ny handray mpianatra 150 ka ny 100 Mpitsara ary 50 Mpiraki-draharaha mandritra ny fifaninanana voalohany.

Miankina amin’ny toe-draharaha ara-pahasalamana toa ny krizy ateraky ny valanaretina Covid-19 sy ny hoenti-manana ny fanatanterahana ireo fifaninanana ireo sy ny isan’ny ho raisina. Nivoitra io androany maraina nanditra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, notarihin’ny Tale Jeneralin’ny sekoly niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy, tetsy amin’ny ENMG Tsaralalàna.

Niompana tamin’ny fanaovana ny tatitra 2019-2020 sy ny fampahafantarana ny fandaharan’asa 2021 ny fihaonana. Momba ireo raharaha teo aloha nahavoasaringotra mpiasa noho ny kolikoly, dia efa eny anivon’ny BIANCO ny fanadihadiana sy ny tohiny.