Fanatsarana ny Fandraharahana ny Fonja

HAHAVELON-TENA IREO TOMBIM-PAMOKARANA MIANKINA AMIN’NY FONJA

Vitsy mpahalala nefa maro ireo tobim-pamokarana miankina amin’ny fonja na “camps pénaux” eto Madagasikara. Tanjona ny hanatsarana ny asam-pamokarana eny anivon’izy ireny mba tsy ho vesatra ho an’ny Ministera mpiahy sy ny Fanjakana intsony ireo voafonja fa hahavelon-tena. Hatreto dia 1.800 ariary isaky ny voafonja isan’andro tokoa mantsy no tetibola natokana ho an’ny sakafo fotsiny, ho an’ireo voafonja miisa 28.000 manerana ny Nosy. Mitentina 19 Miliara ariary isan-taona amin’ny tetibolam-panjakana izany. Maika araka izany ny hanatsarana ny asam-pamokarana mba hahazoana vokatra tsara sy haingana.

Nivoitra ireo androany tamin’ny fanokafana ny atrikasa miompana amin’ny “ Fanadihadiana sy fanatsarana ny tontolon’ny fananan-tany sy ny tombim-pamokarana eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja”, atao mandritra ny 4 andro etsy amin’ny “Le Relais de la Haute Ville” Anjohy. Mpanohana izao atrikasa izao ny tetikasa PAJMA.

Araka ny lahateny nataon’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja (DGAP) Atoa Ranaivo Andriamaroahina Tovonjanahary, dia maro ireo tobim-pamokarana afaka ametrahana olona voafonja hiasa hanabe voho ny tany. Ireto toby nefa zary mipetra-potsiny ary atahorana hisy haka ny tany misy azy.

Tanjona voalohany ny fanomezana lanja indray izany tobim-pamokarana izany. Faharoa, entina koa hanetsiketsehana ny famokarana, sy hahazo vokatra tsara mba tsy ho vesatra intsony ireo voafonja. Fahatelo, rehefa miasa tsara ireny, dia mandeha tsara ny fitantanana sy ny fiarovana ny tany izay fananan’ny Fandraharahana ny Fonja amin’ny anaran’ny ministeran’ny Fitsarana. Ary farany dia, fitaovana iray entina mikarakara ireo voafonja mba ho fitaizana sy fanabeazana, ho fanomanana ny famerenana azy ireny eny amin’ny fiarahamonina. Mba ho fitaovana mampiova fo, mamerina ny maha-olona ny voafonja, ho olom-baovao azo hitokisana indray” hoy Atoa DGAP.

Taloha, raha politika fanenana ny isan’ireo voafonja anaty fonja efa feno loatra ireny toby ireny, ankehitriny kosa dia ilofosana ny hahatonga azy ireo ho tena mamokatra sy ho matihanina amin’ny fanatrarana ny tanjona dia ny hamatsy ara-tsakafo ny voafonja, sy ireo fonja ary hatramin’ny fivarotana ireo vokatra. Tsiahivina fa efa lany teo anivon’ny fivoriamben’ny Filankevitra Ambony ho an’ny Fandraharahana ny Fonja ny tolokevitra hanovaina ny sata mifehy ireo tobim-pamokarana miankina amin’ny fonja, mba hahaleotena.

Ampitomboina isan-taona

Atomboka amin’ny kely izay tratra ary atao miabo isan-taona ny tahan’ny asam-pamokarana sy ny vokatra ho azo amin’ireo toby ireo. Araka ny nambaran’Atoa Tale Jeneralin’ny Fandaharan’asa ny ny Fampitaovana (DGPR) izay nisolo tena an’Atoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana (GSMJ) nandritra ny fanokafana izao atrikasa izao, dia kendrena ho 25% izany, ary ampiakarina tsy hitsahatra isan-taona.

“Ny tetibola dia mihena isan’andro. Manao ny ainy tsy ho zavatra manatsara rafitra amin’ny fitatanam-bola ny DPRP saingy ireo aloha ny tarehimarika amin’izao. 19 miliara ariary isan-taona, ho an’ny sakafo fotsiny io tsy miresaka ny fahasalamana sns, no atokana ho an’ireo voafonja miisa 28.000 manerana ny Nosy, izany hoe 1.800 ariary isan’andro isaky ny voafonja. Raha vao tsy ampy sakafo nefa ireo voafonja, dia avy ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanana hafa manenjika mafy antsika. Tanjona ny hitondra fanatsarana eto anivon’ny Fandraharahana ny Fonja sy ny Ministeran’ny Fitsarana manontolo. Vahaolana haingana ireto tobim-pamokarana ireto” hoy Atoa Raveloson Aimé Gilbert, DGPR.

Marihina fa ny mpandray anjara amin’ity atrikasa ity dia ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga ato amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ireo solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Fiompiana sy ny Fambolena ary koa ireo mpiara-miombon’antoka hafa izay hiaraka handinika, hampahomby sy hamoahana ny fehinkevitra.

Tapany voalohany ihany izao,  fa ny tapany faharoa dia ho tanterahina amin’ny volana desambra 2020. Amin’io tapany faharoa io kosa no hamoahana ny fanapahan-kevitra farany izay ho ampiharina haingana mba hanampiana ireo sakafon’ny voafonja ary koa hanavaozana ny fitaizana ireo voafonja.