Fanampiana sosialim-bahoaka : Mirotsaka an-tsehatra ny ministeran’ny Fitsarana

Fokontany miisa 10 ato anatin’ny Boriborintany I – Faritra Analamanga no anjara sahanin’ny ministeran’ny Fitsarana amin’ny fizarana ireo fanampiana sosialim-bahoaka. Ho an’ny anio, dia ny Fokontany Amboasarikely sy Faravohitra ambony no hisitraka ny tohana, ho zaraina etsy amin’ny ANS Ampefiloha. Miisa 430 ireo hahazo ho an’Amboasarikely ary 270 kosa ho an’ireo mponina ao Faravohitra ambony.

Vary milanja 25 kg, roa (2) gony isan’olona, no zaraina miampy fonosana CVO iray (1), sy menaka roa (2) tavoahangy, sy rononomandry mamy roa (2) boaty ary voanemba 2,5 kg.

Nitarika ny delegasiona avy amin’ny ministeran’ny Fitsarana omaly ny Talen’ny kabinetra, mpanolo-tsaina roa ary ny avy ao amin’ny DSIC (Direction des Systèmes d’Information). Niara-nisalahy ny lehiben’ny distrika, ny sekretera jeneralin’ny faritra Analamanga, ny solombavambahoaka avy ao amin’ny Boriborintany I ary ny fikambanana Fitia. Mponina miisa 495 avy ao amin’ny Fokontany FIATA (Isotry atsinanana, Tsaralalàna, Ampasamadinika) no nisitraka ny fanampiana omaly testy amin’ny ANS Ampefiloha.