Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antsirabe.

📌Zoma faha – 22 Marsa 2024.
Antsirabe, natolotra ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ny karatra fanarahan-draharaha  » Carnet de Suivi ». Ny Talen’ny Kabinetra, Andriamatoa RARIVOJAONA Emile Andrianirina izay nisolontena ny Minisitry ny Fitsarana dia nanamafy fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politikam-panjakana amin’ny ady amin’ny kolikoky sy fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ny fampiasana ny karatra fanarahan-draharaha. Tanjona amin’izany ny fanamorana ny fanatonan’ny Vahoaka ny Fitsarana sy ny fanafoanana ny asan’ny Mpijirika.

✅Tsapan’ny Vahoaka ny fiovana fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana, ary nambaran’izy ireo fa tena manampy betsaka amin’ny olan’ny manan-draharaha ny fampiasana ny karatra fanarahan-draharaha.

⭕Taloha mantsy dia sarotra ho an’izy ireo ny manantona ny Fitsarana eto Antsirabe satria olona avy any ambanivohitra no betsaka manan-draharaha, ka sahirana amin’ny fakan-kevitra sy ny fanarahana ny raharahany.
Marihana fa efa nampiasa « Carnet » ihany ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antsirabe, saingy samy mitondra ny azy ny tsirairay ka mbola sarotra na ny famenoana izany aza. Ity karatra fanarahan-draharaha ity kosa dia mora hampiasaina ary manaraka ny fe-petra ara-tekinika mikasika ny zotram-pitsarana.

⭕Mialohan’ny nampiasana ny karatra fanarahan-draharaha dia nazavaina tamin’ny Mpiasan’ny Fitsarana eto Antsirabe ny fomba fampiasana azy sy ny voarakitra ao anatiny. Nitondra ny fanazavana ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Talen’ny firaketan-draharaha, notronon’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antsirabe.