Posted in Autres Evenements

FANENTANANA NY TANORA HIADY AMIN’NY FIDOROHANA ZAVA-MAHADOMELINA.

📌Nanomboka tamin’ny Alatsinainy faha – 19 Febroary 2024 sekoly maro teto Analamanga no nanaovana fanentanana momban’ny ady atao amin’ny fidorohana sy fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina. Mitarika izany hetsika izany ny Tale misahana ny Zon’Olombelona sy ny Fifandraisana Iraisam-pirenena eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana, Ramatoa BELALAHY Hanitriniaina.

⭕Raha ny fantatra mantsy dia ny Mpianatra eny anivon’ny « Lycée » no tena tafiditra amin’ny fanandramana sy fidorohana zava-mahadomelina, ka ilaina ny hetsika toy izao mba ho fampahafantarana azy ireo ny voka-dratsin’izany eo amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina. Ilaina ihany koa ny fifanakalozan-kevitra eo anivon’ny toeram-pampianarana, mba ho famporisihana ny tanora handray anjara amin’ny fanentanana ny namany. Izany rehetra izany dia mikendry ny hanamafisana ny faharetan’ny Mpianatra eny amin’ny « Lycée » manoloana ny faneriterena ara-tsosialy, manampy azy ireo hampivelatra ny fanoherana sy ny fahaizana mandray fanapahan-kevitra.

Posted in Actualités

« Carnet de suivi » Hampiasaina eny anivon’ny Fitsarana.

📌Alatsinainy faha-19 Febroary 2024, teto amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy, niresaka mivantana tamin’ny manan-draharaha, ary nanolotra DIARY FANARAHA-DRAHARAHA ( Carnet de Suivi) ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

➡️Hita ao anatin’io diary io avokoa ny daty nanombohan’ny raharaha, ny anaran’ny olona notoriana, ny daty handehanan’ny Fitsarana, ny saran’ny raharaha, ny laharan’ny varavarana sy izay rehetra mikasika ilay raharaha.

❌Tsy misy lalana ho an’ny Mpijirika sy ny kolikoky intsony arak’izany ny fampiasana ny diary fanarahan-draharaha.

⭕Nanamafy ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny mangarahara, ny ady amin’ny kolikoky ary ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana ny fampiasana ity  » Carnet de Suivi » ity satria ny tompon-draharaha mivantana no manaraka ny fizotry ny fitsarana mahakasika azy. Ireo mpanjifa ny raharaham-pitsarana dia samy nankasitraka izao fomba fiasa vaovao izao. Nilaza izy ireo fa natao hitsinjovana ny Vahoaka tokoa ity fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana ity.

Fanombohana ny teto Anosy fa ny Fitsarana manerana an’i Madagasikara dia hampiasana ny Diary fanarahan-draharaha havokoa.

🎤Manasa antsika hanaraka izany.

Posted in Actualités

Fanolorona fitaovana.

📌Alatsinainy faha 19 Febroary 2024.Teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, solosaina miaraka amin’ny kojakoja ilaina aminy, miampy  » imprimante » no natolotry ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nahazo tamin’izany avokoa na ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo, na ny Fitsarana Ambony Antananarivo sy ny Fitsarana Fandravana ary ny Fitsarana Tampony. Volan’ny Minisiteran’ny Fitsarana madiodio no nividianana ireo fitaovana ireo.

➡️Nambaran’ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa Fanjakana Tsara Tantana no tanjona ka mba ho fanohanana izany dia mila hatsaraina ny fomba fiasa sy ny fitaovana mba ho fanamafisana ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, antony nizarana ireto fitaovana ireto ka kendrena amin’izany ny hampiakatra hatrany ny kalitao ny asa tanterahana mba hiteraka fahafahampo ho an’ny vahoaka izay manan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana.

⭕Ankoatran’ Antananarivo dia efa nahazo ny fampitaovana avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ihany koa ny Fitsarana ao Toamasina, Mahajanga ary
Antsiranana.