Posted in Actualités

Fonjaben’ny Tsiafahy.

📌 Ny Talata 6 Febroary 2024, tamin’ny 11Ora alina, tonga tampoka teto amin’ny Fonjaben’ny Tsiafahy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nijery ny rezisitra ary nanisa ireo Voafonja. Ny Alarobia 7 Febroary, nanohy ny asa ireo tompon’andraikitra isan-tokony eo anivon’ny Fitsarana, nampitovy ny isa eo ampelatanan’ny Fitsarana sy ny rezisitra ao Tsiafahy, ary nanadihady mikasika ny momba ny Voafonja tsirairay.

Izany dia ho fanohizana ny fampiharana ny « Politique pénal », izay efa nahitam-pahombiazana teo anivon’ny Fonjan’Antanimora, ary fanamafisana ny fampanarahan-dalàna amin’ny fitantanana ny Fonja mba hialana amin’izay mety ho gaboraraka.
Raha ny eto Tsiafahy, nanamafy ny solotenan’ny Voafonja fa nisy fiovana ny fomba fitantanana azy ireo. Izany dia manaraka ny Politika an-kapobeny napetraky ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana, mikasika ny fanajàna ny zon’olombelona.
Nanamafy ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa tsy ny Fonjan’ Antanimora sy ny Fonjan’i Tsiafahy ihany no hanaovana ny fidinana ifotony tampoka toy izao.