Posted in Autres Evenements

Fitsarana ara-bola Fianarantsoa.

📌Notontosaina ny zoma 16 febroary 2024 ny lanonam-pitsarana manetriketrika nentina nametrahana tamin’ny toerany ny Mpampanoa ara-bola (Commissaire Financier), eto anivon’ny Fitsarana ara-bola (Tribunal Financier) Fianarantsoa, Andriamatoa RASOLONDRAIBE Max Félicial, .

⭐Nanotrona ny fotoana ny fianakaviamben’ny Fitsarana izay notarihin’ny Kaomisera Generalin’ny Tahirim-Bolam-Panjakana ao amin’ny Fitsarana momba ny Kaonty sy ny mpikambana sasantsasany ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara.
Nanatrika ny lanonana ihany koa ireo olom-boafidy sy solontenam-panjakana voatendry taty an-toerana.

Posted in Autres Evenements

Fanapariahana lalàna.

📌Zoma 16 febroary 2024, tonga teto amin’ny Kaominina Ampitatafika ny Fitaleavana misahana ny Fanampariahana sy Fandinihana ary Fanavaozana lalàna (DERL) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana, nampahafantatra ireo lalàna vaovao sy ireo izay nasiana fanovàna.

➡️Karazana lohahevitra samihafa no nentina, tao ny momba ny:
– Fananantany (karatany, tanim-panjakana)
– Sora-piankohonana (fahaterahana, fananganana, fanjanahana,…)
– Lalàna momba ny fandovàna
– Ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (na ara-panahy na ara-batana, ara-nofo, ara-tsaina, na ara-pihariana).

⭕Tsapa fa mangetaheta fahalalàna ny vahoaka ary liana ny ahafantatra ny tokony atao eo anatrehan’ny Fitsarana.