Posted in Actualités

FITSARANA MANAKAIKY VAHOAKA.

📌Alatsinainy faha 26 Febroary 2024.
Teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny takelaka  » Fitsarana Valio ny Tarainako ».

➡️Ny olona rehetra manana fitarainana mikasika ny raharaham-pitsarana sy ny zavamisy eny anivon’ny Fonja dia afaka mampiasa azy io amin’ny fotoana rehetra. Takelaka voaaro, ny « Fitsarana Valio ny Tarainako » ka ny Mpitaraina sy ny teknisianina mandray ny fitarainana ihany no afaka mifampita vaovao mikasika ny fitarainan’ny olona iray. 500 Ariary dia ahafahan’ny olom-pirenena mampiditra fitarainana amin’ny alalan’ny finday na solosaina. Voaray avy hatrany izany ka mandalo fanadihadiana ary mahazo valiny.

⭕Nambarany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanamafisana ny fanjakana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoky ary ny Fitsarana manakaiky Vahoaka ny fanokafana ity takelaka ity.

➡️Isan’ny tanjon’ny Minisiteran’ny Fitsarana rahateo ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fampandehanana ny raharaham-pitsarana.
Efa misy mantsy ny sampan’asa miandraikitra fitarainana saingy taratasy marobe no kirakiraina.
Tombony ho an’ny Vahoaka mitaraina arak’izany ny fihenan’ny fotoana lany sy ny fihenan’ny vola mivoaka amin’ny fivezivezena.
Ny « Fitsarana Valio ny Tarainako » arak’izany dia sady fanamaivanana ny fahasahiranan’ny olona no famerenana. ny fahatokisan’ny Vahoaka ny tontolon’ny Fitsarana, ary tsy n’y eto an-toerana ihany fa na ny any ampitan-dranolasina aza dia afaka miditra amin’ny « www.fitsarana-valio-tarainako.mg » tranon-kala fandraisana fitarainana mikasika ny raharaham-pitsarana na ny fitantanana ny Fonja.

🎥 NANOKATRA IZANY TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY MINISTRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.