FANENTANANA NY TANORA HIADY AMIN’NY FIDOROHANA ZAVA-MAHADOMELINA.

📌Nanomboka tamin’ny Alatsinainy faha – 19 Febroary 2024 sekoly maro teto Analamanga no nanaovana fanentanana momban’ny ady atao amin’ny fidorohana sy fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina. Mitarika izany hetsika izany ny Tale misahana ny Zon’Olombelona sy ny Fifandraisana Iraisam-pirenena eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana, Ramatoa BELALAHY Hanitriniaina.

⭕Raha ny fantatra mantsy dia ny Mpianatra eny anivon’ny « Lycée » no tena tafiditra amin’ny fanandramana sy fidorohana zava-mahadomelina, ka ilaina ny hetsika toy izao mba ho fampahafantarana azy ireo ny voka-dratsin’izany eo amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina. Ilaina ihany koa ny fifanakalozan-kevitra eo anivon’ny toeram-pampianarana, mba ho famporisihana ny tanora handray anjara amin’ny fanentanana ny namany. Izany rehetra izany dia mikendry ny hanamafisana ny faharetan’ny Mpianatra eny amin’ny « Lycée » manoloana ny faneriterena ara-tsosialy, manampy azy ireo hampivelatra ny fanoherana sy ny fahaizana mandray fanapahan-kevitra.