Posted in Actualités

MINISTRY NY FISTARANA:Tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo mpianatra may trano, teny amin’ny oniversiten’Antananarivo.

📌 Ny marainan’ny Sabotsy faha-10 Jona 2023, no nirehitra ny trano fonenan’ireo Mpianatra miisa 32. Tsy nisy ny aina nafoy, saingy kila havokoa ny entana rehetra.

➡ Mba ho fanohanana ara-pitaovana sy ara-tsakafo, ireo Mpianatra avy any amin’ny Faritra Itasy, isan’ny niharan’ny fahavoazana dia nanolotra fanampiana ho azy ireo ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay Mpiahy ny Faritra, sy ny Minisitry ny Fahasalamana ary ny Solombavambahoaka.

👉 Fitaovana sy sakafo ilaina andavanandro no natolotra ka nahatsiaro ho manan-dRay aman-dReny ireo Mpianatra nahazo izany, ary nisaotra ny Manolotra tamin’ny alalan’ny Filohan’ny MAMAFI, Fikambanan’ny Mpianatra Ambaratonga Ambony avy amin’ny Faritra Itasy.

Posted in Actualités

FIVORIANA NANDINIHANA NY FAMPIHARANA NY ASA.

📌 Zoma faha 09 Jona 2023. Natao tao amin’ny Tranombokin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny fivoriana, nandinihana ny fanatsarana ny fomba fiasa, ho fanamafisana ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, indrindra ny ady tany.

⭐ Nitarika izany ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ary nandray anjara tamin’io fivoriana io ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, ny Fitsarana Ambony ary ny Fitsarana Fandravana.

➡ Nivoitra tamin’izany ny fijerena ireo lalàna sy paik’ady iraisana mba ho haingana kokoa ny fizotry ny Fitsarana. Tanjona ny hahatokisan’ny vahoaka indray ny sehatry ny Fitsarana eto Madagasikara.

Posted in Actualités

FANDRAHARANA NY FONJA:NIVORY NY KOMISIONA MISAHANA FAMINDRAN-TOERANA.

📌 Ny Zoma 09 Jona 2023, notanterahina teto amin’ny Biraon’ny Minisiteran’ny Fitsarana, teto Faravohitra ny fivorian’ny komisiona mandrindra ny famindran-toerana ny Mpandraharahan’ny Fonja. Nitarika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, notronin’ireo Tekinisianina manana andraikitra amin’izany.

➡ Hita mantsy fa misy ireo Fonja misedra olana eo amin’ny tsy fahampian’ny olona ka tsy maintsy mandrindra izany, araka ny tokony ho izy ny eo anivon’ny Minisitera. Tanjona ny hisian’ny fifadanjana eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Nanamarika ny Minisitra fa ny toerana rehetra hiasana dia mendrika havokoa.

Posted in Autres Evenements

ENMG

📌 Notontosaina ny O2 jona 2023 tao amin’ny Novotel Ivandry ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo taranja 3: Ady amin’ny kolikoly, Ady amin’ny kolikoly mifandray amin’ny fitrandrahana zavaman’aina voaaro, Ady amin’ny famotsiam-bola sy ny asa fampihorohoroana.

➡ Ireo taranja ireo dia tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fandaharam-pampianarana hoan’ny mpianatra ho mpitsara ary vokatrin’ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fitsarana niaraka tamin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy, ny WWF, ny Birao Maleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly, ny SAMIFIN, ny TRAFFIC sy ny manam-pahaizana manokana mahakasika ny lohahevitra.
Ireo taranja ireo dia voarakitra anaty boky ka ho zaraina amin’ireo mpianatra ho mpitsara. Izany no tontosa dia noho ny fanohanan’ny vahoaka amerikana (USAID).

Posted in Actualités

LANONANA NANDRAISANA NY FIBAIKOANA EO ANIVON’NY FANDRAHARANA NY FONJA NY TALE JENERALY VAOVAO.

📌 Lanonana ara-miaramila, nandraisan’ ny « Inspecteur d’Administration Pénitentiare en Chef », Arsène RALISAONA ny fibaikona eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja. Nitarika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

➡ Nizara roa ny fizotry ny fandaharam-potoana ka nanombohana azy ny fanolorana ny faneva, ny hafatra avy amin’ny Minisitry ny Fitsarana ary ny fanatanterahana ny fibaikoana voalohany ho an’ny Tale Jeneraly.

➡ Vita izay dia niroso tamin’ny Matso ny Mpandraharahan’ny Fonja, ka ny Mpitsoka Mozikan’ny Zandarimariam-pirenena no nitarika izany.

⭐ Olo-manankaja sivily sy Miaramila maro no nanome voninahitra ny lanonana.

🎤 Taorian’izany dia nitafa tamin’ny Mpanao gazety tonga teny an-toerana ny Talé Jeneraly vaovaon’ny Fandraharahana ny Fonja, A/toa RALISAONA Arsène.

🎤 Namarana azy dia nisy ihany koa ny resaka fohy nifanaovan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana tamin’ireo Mpanao gazety.


🎥 Manasa anao ary.