Jour : 6 juin 2023
LANONANA NANDRAISANA NY FIBAIKOANA EO ANIVON’NY FANDRAHARANA NY FONJA NY TALE JENERALY VAOVAO.
📌 Lanonana ara-miaramila, nandraisan’ ny « Inspecteur d’Administration Pénitentiare en Chef », Arsène RALISAONA ny fibaikona eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja. Nitarika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.
➡ Nizara roa ny fizotry ny fandaharam-potoana ka nanombohana azy ny fanolorana ny faneva, ny hafatra avy amin’ny Minisitry ny Fitsarana ary ny fanatanterahana ny fibaikoana voalohany ho an’ny Tale Jeneraly.
➡ Vita izay dia niroso tamin’ny Matso ny Mpandraharahan’ny Fonja, ka ny Mpitsoka Mozikan’ny Zandarimariam-pirenena no nitarika izany.
⭐ Olo-manankaja sivily sy Miaramila maro no nanome voninahitra ny lanonana.











































🎤 Taorian’izany dia nitafa tamin’ny Mpanao gazety tonga teny an-toerana ny Talé Jeneraly vaovaon’ny Fandraharahana ny Fonja, A/toa RALISAONA Arsène.
🎤 Namarana azy dia nisy ihany koa ny resaka fohy nifanaovan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana tamin’ireo Mpanao gazety.
🎥 Manasa anao ary.