Posted in Actualités

FIVORIANA NANDINIHANA NY FAMPIHARANA NY ASA.

📌 Zoma faha 09 Jona 2023. Natao tao amin’ny Tranombokin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny fivoriana, nandinihana ny fanatsarana ny fomba fiasa, ho fanamafisana ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, indrindra ny ady tany.

⭐ Nitarika izany ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ary nandray anjara tamin’io fivoriana io ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, ny Fitsarana Ambony ary ny Fitsarana Fandravana.

➡ Nivoitra tamin’izany ny fijerena ireo lalàna sy paik’ady iraisana mba ho haingana kokoa ny fizotry ny Fitsarana. Tanjona ny hahatokisan’ny vahoaka indray ny sehatry ny Fitsarana eto Madagasikara.

Posted in Actualités

FANDRAHARANA NY FONJA:NIVORY NY KOMISIONA MISAHANA FAMINDRAN-TOERANA.

📌 Ny Zoma 09 Jona 2023, notanterahina teto amin’ny Biraon’ny Minisiteran’ny Fitsarana, teto Faravohitra ny fivorian’ny komisiona mandrindra ny famindran-toerana ny Mpandraharahan’ny Fonja. Nitarika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, notronin’ireo Tekinisianina manana andraikitra amin’izany.

➡ Hita mantsy fa misy ireo Fonja misedra olana eo amin’ny tsy fahampian’ny olona ka tsy maintsy mandrindra izany, araka ny tokony ho izy ny eo anivon’ny Minisitera. Tanjona ny hisian’ny fifadanjana eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Nanamarika ny Minisitra fa ny toerana rehetra hiasana dia mendrika havokoa.