Posted in Actualités

FIARAHA-MIASAN’NY MINISITERAN’NY FITSARANA SY NY AFD: HITARINA SADY HATSARAINA NY FONJAN’I MANJAKANDRIANA.

📌Ny Alakamisy faha-15 Jona 2023, no nametrahana ny vatofototra amin’ny fanitarana sy fanatsarana ny Fonjan’i Manjakandriana. Famatsiambola avy amin’ny AFD, amin’ny alalan’ny Tetikasa PAJMA no hanaovana ny fanatsarana sy fanitarana, ka vola mitentina 2 Miliara Ariary no natokana amin’izany.Manaraka ny fomba maoderina sady manaja ny tontolo iainana ny Fonja vaovao vao hatsangana, ary biriky, tsy misy fihatraikany amin’ny tontolo iainana no hanaovana ny fanorenana.

⭕️ Nandritra ity lanonana nametrahana ny vatofototra ity no nanambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politikam-panjakana voalaza ao anatin’ny Velirano, sy ny lamin’asa vaovao napetrany hitondrana ny Minisitera ny fanavaozana sy fanitarana fotodrafitrasa toy izao satria sady singa iray manamafy ny fiarovana ny zon’olomnelona no singa iray ahazoana manamafy ny ady amin’ny kolikoly ihany koa. Andriamatoa Yves GUIQUERO, Talen’ny AFD tetsy an-kilan’izay dia namelabelatra ireo tetikasa goavana iarahany miasa amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny tombontsoa haterak’izany fiaraha-miasa izany.

📍Marihana fa ny fahavitan’ny fanatsarana sy fanitarana ity Fonjan’ny Vehivavy eto Manjakandriana ity dia ahafahana mamindra ireo Voafonja sasany avy ao Antanimora. Marihana fa afaka enimbolana eo ho eo dia Fonja maoderina no ho hita eto Manjakandriana.