Posted in Actualités

MINISTRY NY FISTARANA:Tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo mpianatra may trano, teny amin’ny oniversiten’Antananarivo.

📌 Ny marainan’ny Sabotsy faha-10 Jona 2023, no nirehitra ny trano fonenan’ireo Mpianatra miisa 32. Tsy nisy ny aina nafoy, saingy kila havokoa ny entana rehetra.

➡ Mba ho fanohanana ara-pitaovana sy ara-tsakafo, ireo Mpianatra avy any amin’ny Faritra Itasy, isan’ny niharan’ny fahavoazana dia nanolotra fanampiana ho azy ireo ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay Mpiahy ny Faritra, sy ny Minisitry ny Fahasalamana ary ny Solombavambahoaka.

👉 Fitaovana sy sakafo ilaina andavanandro no natolotra ka nahatsiaro ho manan-dRay aman-dReny ireo Mpianatra nahazo izany, ary nisaotra ny Manolotra tamin’ny alalan’ny Filohan’ny MAMAFI, Fikambanan’ny Mpianatra Ambaratonga Ambony avy amin’ny Faritra Itasy.