Posted in Actualités

NIHAONA TAMIN’NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISTRY NY FITSARANA, NY MPIANDRAIKITRA AVY AO AMIN’NY EDBM ARY NY HCDH.

📌 Anio folakandro dia tonga nanao fitsidiana ara-pomba fanajana teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra ny avy ao amin’ny EDBM.

📌 Tao arianan’izay, ankoatry ny fitsidihana ara-pomba fanajana dia nanolotra fitaovana informatika, ho an’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny HCDH. Izany dia entina hanamafisana ny fiarovana ny zon’ olombelona. Nandray izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay nanamafy fa anatin’ny laharam-pahamehana napetrany izany, ary isan’ny antony nahatonga ny fampiharana ny lamin’asa vaovao, hanenana ny tahan’ny voafonja tsy voatsara sy hampakarana ny tahan’ny voafonja voatsara, ankoatry ny fanomezana aina ny Camp Pénal, paikady hametrahana ny fahaleovantena ara-tsakafo eny anivon’ny Fonja.

⭕ Tao anatin’izao fihaonana izao dia fantatra fa hanamafy ny fiaraha-miasa ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny HCDH.

Posted in Actualités

NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FANANGANAN-TSAINA.

📌 Mariky ny fiandrianam-pirenena ny saina. Ny rehetra dia tokony samy hanaja ny sainam-pirenena havokoa. Ankoatry ny fiainana izany amin’ny andavanandro, dia vaninandro lehibe , hanehoana ny maha-olom-pirenena ny fananganana saina isa-tokantrano, rehefa tonga ny fetim-pirenena. Tamin’ity Zoma 2 Jona 2023 ity, dia notontosaina teo amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ny fampiakarana ny sainam-pirenena sy firedonana ny hiram-pirenena iombonan’ny Malagasy.

⭐ Nitarika izany ny Filoham-Pirenena Andry RAJOELINA, ary isan’ireo Mpikambana eo anivon’ny Governemanta nanatrika ny lanonana ny Mpitahiry ny Tombokasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.