Posted in Actualités

MINISTERAN’NY FITSARANA.

🔔 ANTENIMIERANDOHOLONA : Namaly ny fanontaniana napetrak’ireo Loholona ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

🎥 Manasa antsika hanaraka izany.

Posted in Actualités

TARANJA LOMANO:NAHAZO FANOMEZANA AVY AMIN’NY MINISTRA MPIAHY.

📌 Alarobia 21 Jona 2023, tonga teto amin’ny ANS Ampefiloha ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, sy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Amin’ny maha-mpiahy ny Taranja Lomano azy ireo, mandritra ny fanatanterahana ny lalaon’ny Nosy dia nanolotra fitaovana hanampiana ireo Mpilomano, handray anjara amin’ny fifaninanana. Fanafody mampatanjaka, sy fanalana havizanana, ary tohana ara-bola ho enti-miatrika ny fanazaran-tena ho an’ny Mpilalao miisa 30 no natolotra tamin’izany.

➡ Ankoatr’izay dia niresaka tamin’ny Mpilomano sy ny Ray aman-dReny ary ny Tale Tekinikan’ny Taranja Lomano izy ireo, nidinika momban’ny fomba hiatrehana ny fanomanan-tena. Tanjona mantsy ny hiarovana ny voninahim-pirenena raha ny hevitra nivoaka avy amin’ny rehetra nihaona teto.

Posted in Actualités

FIZAKANA NY ZOM-PIRENENA.

➡ MANAZAVA ARAKA NY LALANA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISTRY NY FITSARANA, RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.

Posted in Actualités

NAPETRAKA AMIN’ NY TOERANY NY FILOHAN’ NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY.

📌 Ny Zoma faha-16 Jona 2023, nandray ny asa maha-Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Ambatondrazaka azy Andriamatoa RANDRIANJARASOA Jhonson.

➡️ Mizara roa ny vina napetrany dia ny Fitsarana manakaiky vahoaka sy ny Fanafainganana ny raharaham-pitsarana. Ho an’ny Fitsarana manakaiky vahoaka dia hisy ny fampahafantarana ny lalàna amin’ny alalan’ny haino aman-jery sy ny Fitsarana mitety vohitra. Ho an’ny Fanafainganana ny raharaham-pitsarana kosa dia hipetraka ny paikady ho an’ny ady tany, ary hahena ny fanalavana ny famonjana vonjy maika.

⭕️ Ho an’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ny fametrahana ny tompon’andraikitra vaovao dia tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fandraharahana eo anivon’ny Fitsarana. Izany dia isan’ny paikady hanatratrarana ny tanjona voafaritry ny Velirano fahatelo. Hanamafisana izany ny fanamboarana ny fitantanana ny Mpiasa, toy ny an’ny sehatrasam-panjakana rehetra hitondrana fanavaozana. Misy arak’izany ny Mpitsara naato tamin’ny asany, ary misy koa ny Mpandraharahan’ny Fonja nafindra toerana.

⭐ Nanotrona ny lanonam-pitsarana manetriketrika teto Ambatondrazaka, ireo manam-boninahitra ara-panjakana isan-tokony, ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Fitsarana sy ny Mpiantsehatra amin’ny asam-pitsarana, toy ny Mpisolovava ary ny fianakavian’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Ambatondrazaka, izay vao napetraka tamin’ny toerany.

Posted in Actualités

FIARAHA-MIASAN’NY MINISITERAN’NY FITSARANA SY NY AFD: HITARINA SADY HATSARAINA NY FONJAN’I MANJAKANDRIANA.

📌Ny Alakamisy faha-15 Jona 2023, no nametrahana ny vatofototra amin’ny fanitarana sy fanatsarana ny Fonjan’i Manjakandriana. Famatsiambola avy amin’ny AFD, amin’ny alalan’ny Tetikasa PAJMA no hanaovana ny fanatsarana sy fanitarana, ka vola mitentina 2 Miliara Ariary no natokana amin’izany.Manaraka ny fomba maoderina sady manaja ny tontolo iainana ny Fonja vaovao vao hatsangana, ary biriky, tsy misy fihatraikany amin’ny tontolo iainana no hanaovana ny fanorenana.

⭕️ Nandritra ity lanonana nametrahana ny vatofototra ity no nanambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politikam-panjakana voalaza ao anatin’ny Velirano, sy ny lamin’asa vaovao napetrany hitondrana ny Minisitera ny fanavaozana sy fanitarana fotodrafitrasa toy izao satria sady singa iray manamafy ny fiarovana ny zon’olomnelona no singa iray ahazoana manamafy ny ady amin’ny kolikoly ihany koa. Andriamatoa Yves GUIQUERO, Talen’ny AFD tetsy an-kilan’izay dia namelabelatra ireo tetikasa goavana iarahany miasa amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny tombontsoa haterak’izany fiaraha-miasa izany.

📍Marihana fa ny fahavitan’ny fanatsarana sy fanitarana ity Fonjan’ny Vehivavy eto Manjakandriana ity dia ahafahana mamindra ireo Voafonja sasany avy ao Antanimora. Marihana fa afaka enimbolana eo ho eo dia Fonja maoderina no ho hita eto Manjakandriana.