Posted in Autres Evenements

Fametrahana ny vato fototry ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Befandriana.

📌 Nitohy tao Befandriana ny Alatsinainy 21 novambra 2022 ny lanonana tsotra nametrahana ny vato fototry ny Tribonaly Ambaratonga Voalohany tao Befandriana izay veliranon’ny Filoha Andry RAJOELINA tamin’ny vahoakan’ny Befandriana.

📍 Nisolo tena ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana tety an-toerana ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Ambony ao Mahajanga Ramatoa RABE Herline.
Nanotrona ny lanonana ny Filoha sy Mpampanoa lalànan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohan’ny Mandritsara sy ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Fitsarana ; ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola avy any Mahajanga ; ary ireo tompon’andraikim-
panjakana mahefa isa-tsokajiny teny an-toerana.

📍 Tonga nanome voninahitra manokana ny lanonana ny Governoran’ny faritra Sofia ny Jeneraly Lylison René de Roland.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

📌 Nandritra ny fandraisam-pitenenan’i A/toa RAKOTOZAFY François , Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana , Ministry ny Fitsarana tamin’ ny fananganan-tsaina🇲🇬 tety amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra dia nambarany fa efa voatendry ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony (PGCS) ary koa ny Filohan’ny Fitsarana Fandravana (PCas) tamin’ny fivorian’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara (CSM) ka miandry ny fanambarana izany amin’ny fomba ofisialy, nanentana ihany koa izy mba hiverina hanao ireo fihetsika ara-pahasalamana mba hisorohana amin’ny valan’aretina COVID 19 izay mirongatra indray ary farany dia nampahery ireo Mpitsara sy mpirakidraharaha manao ny hetsika fanomezana Kopia sy karampanondro ny tenany.

Posted in Autres Evenements

Fametrahana ny vato fototry ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Bealanana.

📌 Tontosa ny sabotsy 19 novambra 2022 ny lanonana tsotra nametrahana ny vato fototry ny Tribonaly Ambaratonga Voalohany teto Bealalana.

📍 Nisolo tena ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana tety an-toerana ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Ambony ao Mahajanga Ramatoa RABE Herline. Notronin’ny Filoha sy Mpampanoa lalànan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohan’ny Antsohihy sy ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Fitsarana ; ary ireo tompon’andraikim-panjakana mahefa isa-tsokajiny teny an-toerana.

📍 Tonga nanome voninahitra manokana ny lanonana ny Governoran’ny faritra Sofia ny Jeneraly Lylison René de Roland.

Posted in Autres Evenements

Comité de Pilotage.

📌 « Comité de Pilotage » COPIL notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/toa RABY Savatsarah.

📍 Niompana tamin’ireo tetikasa sahanin’ny PAJMA na ny « Projet d’Appui à la Jutice à Madagascar » izay tohanan’ny AFD ny atrikasa. Fandinihana ireo tetikasa mbola tsy vita ny taona 2022 ity sy ireo vina hotratrarina amin’ny taona 2023 no votoantin-dresaky ny fivoriana.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

🇲🇬 Akon’ny fananganan-tsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjankana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François.

📌 Nanantitrantitra ny dokotera sady filohan’ny sosialin’ny Ministera mba hitandrina hatrany amin’ny fahasalamana indrindra hisoroka fa lasa mitonbo indray izao ny olona voan’ny « Covid-19 ».

⭕ Nanampy izany ny Ministry ny Fitsarana, A/­toa RAKOTOZAFY François nandritra ny fandraisam-pitenenany ary koa nanentana ireo fitsarana rehetra mba hanao ny ezaka fanatrarana ny tanjona « ratio 70-30 ». Ary nisaotra ireo mpitsara sy mpiraki-draharaha izy amin’ny fanantontosana ny hetsika fanaovana kopia sy karampanondro ho an’ny vahoaka Malagasy.