Posted in Autres Evenements

Mpandraharahan’ny fonja.

📌 Tontosa anio 23 Desambra 2022 tetsy amin’ny Fitaleavana ny Ivon’ny Mpandraharahan’ny Fahasalamana Miaramila Betongolo ny famoahana ny andian’ny Mpitsabo mpanampy 200 isa izay misalotra ny anarana « RAVO ».

⭕ Maro an’isa amin’izany ny avy ao amin’ny Fandraharahana ny fonja. Tonga nanotrona izany ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, A/toa RANDRIANANDRASANA Désiré niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy.

Posted in Actualités

Fitsidihana nataon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana tao amin’ny fonjan’Antanimora.

📌 Noho izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona izao, dia tonga nitondra fanomezana ho an’ireo zaza tsy ampy taona zazalahy sy zazavavy ary ireo reny mitaiza voafonja etsy Antanimora ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana , A/toa RAKOTOZAFY François niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.

⭐ Sakafo, Kilalao maro samihafa ary baolina hanaovana fanatanjahan-tena no natolotra mba hahafahan’izy ireo manao fety toy ny olon-drehetra.

🎥 Horonan-tsary:

Posted in Actualités

Tafa nifanaovan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana.

📌 Tafa nifanaovan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana Andriamatoa RAKOTOZAFY François sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana miady amin’ny Kolikoly (PAC), Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO Solofohery tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny Fotoam-pitsarana manetriketrika sy fametrahana amin’ny toerany amin’ny maha Tonia Mpampanoa Ambonin’ny Fitsarana Tampony (PGCS) an’Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy.

🎤Ny raharaha volamena 73kg voageja ao Afrika Atsimo no niompanan’ny resaka izay notsaraina teo anivon’ny PAC, fa talohan’izany dia fanazavana ny mahakasika ny « Vacances Judiciaire » no teny nentin’Andriamatoa Ministra.

🎥 Arahantsika ireo andininy rehetra mahakasika izany.

Posted in Actualités

Fotoam-pitsarana manetriketrika.

📌 Fotoam-pitsarana manetriketrika fandraisana ny fianianana sy fametrahana amin’ny toerany ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony (PGCS) , A/toa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, ary ihany koa fandraisana azy ho mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice)
Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Filoham-pirenena sy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Ministry ny Fitsarana sy ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila.

🎥 Indro arahinao mivantana izany fotoam-pitsarana izany.

Posted in Autres Evenements

Fampahafantarana sy fanapariahana lalàna mahakasika ny ankizy manan-draharaha eny amin’ny Fitsarana Ady Heloka.

📌Notanterahana ny 13-14-15 desambra 2022 lasa teo tao Mananjary, Manakara, Vohipeno ary Ranomafana ny fampahafantarana sy fanapariahana lalàna mikasika ny zon’ny ankizy nanao heloka sy ny paikady ara-pitsarana manodidina izany.

➡️Novelabelarina mandritra izany koa ireo fepetra ivelan’ny fampidirana am-ponja atao amin'ny ankizy.

⭐ Tanjona kendrena amin’izany ny:
👉 fampahafantarana misy misy kokoa ireo lalàna manankery mahakasika ny ankizy,
👉 fanohizana ireo ezaka efa natao ho fampihenàna ny tahan’ny ankizy miditra am-poja,
👉 fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo ankizy ireo eo anivon’ny fitsarana,
👉 fanentanana momban’ireo fepetra ivelan'ny fampidirana am-ponja atao amin'ny ankizy.

⭕Anisan’ny nisitraka izao hetsika izao ireo manampahefana tao an-toerana, ireo tambajozatra fiarovana ny ankizy ary ny vahoaka tao an-toerana.
Izany moa dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny UNICEF Madagasikara ao anatin’ilay Tetikasa Fiarovana ny Ankizy.