Fananganan-tsaina androany 22 Novambra 2021 : Ministeran’ny Fitsarana miady amin’ny Covid-19

Ilaina tanteraka ny fanohizana ny fitandremana. Mbola eo tokoa ny loza, dia ny valanaretina Covid-19. Tarigetra ny fandraisana anjaran’ny Ministeran’ny Fitsarana amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara. Nisy ny fanentanana natao ho an’ny mpiasa rehetra tsy ankanavaka androany Alatsinainy 22 Novambra 2021, teto Faravohitra.

Nanomboka ny fanentanana ny Lehiben’ny Sampandraharaha misahana ny Fitsaboana sy ny Sosialy eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana. Tokony hatao tokoa ny vaksiny hoy izy. Toy izany koa ny fanajana ireo fepetra fiarovana rehetra. Nanamafy izany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza.

Tahaka izao ny fanentanana nataon’i Dokotera RAKOTOMALALA Herisoa Emmanuel. Arahin’ny lahateny nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza.