Posted in Actualités

Fonjan’i Toamasina.

Zoma, faha 08 Martsa 2024, tao amin’ny Fonjan’i Toamasina, nijery ny vokatry ny fanofanana nomena ny Voafonja ny Mpitahiry ny Fitombokasem- panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Nandritra izany no nahafantarana fa, efa betsaka ireo mpanjifa ny asa tanan’ny Voafonja ary tsy ny Malagasy ihany fa hatramin’ny teratany vahiny.

Misy ireo mividy ny asa tanana efa vita, misy ihany kosa ireo mampanao manaraka ny endrika ilainy.
Ny vola azo amin’izany dia ho entina manatsara ny fitaovana sy ireo akora hampiasaina, ary misy am- pahany homena izay Voafonja nanao ny asa tanana mba hanomanan’izy ireo ny ho aviny.

Ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nilaza fa tsy maintsy hampitomboina hatrany ny traikefan’ireo Voafonja mandalo fiofanana. Nanome fitaovana hanatanterahana izany izy ary nisaotra ny Mpampiofana sy ny Mpanohana ara-bola sy ara-tekinika nohon’ny fandraisan’ andrakitra miaraka amin’ny Ministeran’ny Fitsarana mikasika ny asa fanarenana ara-tsaina, ara-tsosialy ary ara-pihariana ho an’ ireo rehetra manala sazy eto amin’ny Fonjan’i Toamasina.

Posted in Actualités

Vehivavy vaofonja ao Toamasina.

Zoma, faha 08 Martsa 2024, tao amin’ny Fonjan’i Toamasina, tonga nanamarika ny andron’ny Vehivavy, niaraka tamin’ny Voafonja, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

⚙️ Nandritra izany no namelabelarany ny politikam- panjakana mikasika ny fanomezan-danja ny maha- olona. Ao anatin’ny fanatanterahana izany ny fanatevenana ny fanofanana ny Voafonja, izay sady fanomanana ny famerenana azy ireo eny anivon’ny fiarahamonina no fanamafisana ny ady amin’ny fahantrana.

Ho tan-tsoroka amin’izany dia nanolotra fitaovana ho an’ny Fonja tao Toamasina ny Ministry ny Fitsarana. Izany dia nahitana milina fanjairana, miaraka amin’ny kofehy, hety, valonan-damba, Lafaoro, lafarinina, siramamy, koveta, fitaovana fanaovam-bolo. Ankoatr’izay dia nisy ny fizaràna sakafo nohon’ny fankalazana ny andron’ny Vehivavy.

Nilaza ny solotenan’ny Voafonja nandray fitenenana fa velom-panantenana izy ireo satria izay vao nisy Ministra nanamarika ny andron’ny Vehivavy niaraka tamin’ny Voafonja, ary nitondra fananarana sy fankaherezana ho azy ireo.

Tetsy ankilan’izay, ny Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nisaotra ny Mpiara-miasa sy ny Mpiara-miombon’ antoka, na ny Fikambanana isan-tsokajiny eto Madagasikara sy any ivelany izany, na ny Mpitondra Fivavahana, nohon’ny tan-tsoroka entin’izy ireo amin’ny Fanarenana ara-tsosialy ho an’ny Voafonja.

Raha ny eto Toamasina dia miisa dimy ny Lefitry ny Lehiben’ny Fonja ka Vehivavy ny telo amin’izany.
Miisa 60 kosa ny Vehivavy Voafonja ka iray amin’izy ireo no tsy ampy taona.