Posted in Actualités

Naverina Fihaonamben’ny lehiben’ny Sampam-pitsarana misahana ny ady ifananovan’ny samy olon-tsotra.

📌Toliara 13 Marsa 2024.

Tanterahana eto Toliara ny Fihaonamben’ny Lehiben’ny Sampam-pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny olon-tsotra na «Journées des Chefs des Juridictions Judiciaires».
Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.
Nambarany fa tafiditra hatrany anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana momba ny Fitsarana izao fihaonambe izao, izay miantefa amin’ny fanomezan-danja ny maha-olona sy ny Fanjakana tsara tantana ary ny ady amin’ny kolikoly. Hampiasaina ny fomba rehetra ho entina manatanteraka izany, antony namerenana izao fikaonan-doha mivelatra ho an’ny Lehiben’ny sampam-pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny olon-tsotra na « Journées des Chefs des Juridictions Judiciaires » izao.

➡️Tanjona ny fanatsarana ny kalitaon’ny asam-pitsarana atolotra ny Vahoaka manan-draharaha sy ny fanatevenana ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana ary ny fanamafisana ny traikefan’ireo Lehiben’ny Sampam-pitsarana amin’ny fomba fitantanany ny Fitsarana. Lohahevitra maro araka izany no dinihana ao anatin’ny telo andro, anisan’izany ny fifampitana traikefa eo amin’izy ireo.

⭕Niato an-taonany maro izao fihaonambe izao ka amin’izao famerenana azy izao dia ireo Lehiben’ny sampam-pitsarana rehetra eo anivon’ny Fitsarana Ambony eto Toliara sy any Fianarantsoa no nanombohana azy. Manatrika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, miaraka amin’ireo Lehiben’ny Fitsarana Tampony sy ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana. Manohana ara-bola sy ara-pitaovana izao fihaonana izao ny PNUD.