Posted in Autres Evenements

Officier de Police Jusdiciaire.

📌Alarobia, faha- 06 Marsa 2024.

Teto amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina.
Nanantanteraka fivorina arak’asa ny Pôle Anti-corruption « PAC » eto Antananarivo. Izany dia entina hanatsarana ny fomba fiasa miaraka amin’ireo OPJ « Officier de Police Judiciaire » eto Antananarivo, fandrindrana sy fanatsarana ny paik’ady entina hiadiana amin’ny kolikoly ary fanomezana toromarika sy fampahatsiahivana ny lalàna mifehy ny asa. Fivorina niarahana amin’ny OPJ, Administration spécialisée, ARAI ary ny BIANCO.

Posted in Actualités

Fikambanamben’ny Mpirakiteny mpanoto soratra eto amin’ny ranomasimbe indianina.

📌Talata 06 Martsa 2024, tao aorian’ny fivorian’ireo Mpirakiteny Mpanoto soratra (Notaire) eto amin’ny ranomasimbe Indianina izay natao tetsy amin’ny Radisson Blu Ankorondrano omaly dia tonga teto amin’ny biraon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Faravohitra ireo solontenan’ireo Mpirakiteny Mpanoto soratra avy any ivelany izay notarihan’ny Filohan’ny Mpirakiteny Mpanoto soratra eto Madagasikara, Andriamatoa ANDRIAMANALINA Andrianjaka.

⭕Ny nampihavaka ity fivoriana ity dia ny fandraisana anjaran’ny « Conseil Supérieur des Notaires International ».

Posted in Autres Evenements

Fanolanana zaza tsy ampy taona.

📌Alarobia faha-06 Martsa 2024, teto amin’ny Fitsarana Anosy. Nampafantatra ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo, Ramatoa RAKOTONIAINA Narindra Navalona fa nampiakarina « Juge d’instruction  » androany i Dawily ilay lehilahy nanolana zazavavikely 6 taona tao Imerintsiatosika. Taorian’izay dia nampiidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy.

⭕Raha hampatsiaivina dia mody nirahiny nividy sigara ity zazavavikely ary netiny niditra tranon-drazana avy eo ka tany no nanamparany ny filan-dratsiny.

🔴Raha ny fantatra dia sazy roa no mety hihatra amin’i Da-Wily dia ny asa an-terivozona mandrapahafaty sy ny famosirana na « castration ».