Posted in Actualités

Fanapariahana lalàna.

📌Alakamisy, faha 14 Martsa 2024, Toliara.
Teto amin’ny FJKM Rasalama Martiora Toliara. Niara-niombom-bavaka tamin’ny Kristianina ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ny mpiara-miasa aminy. Tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fanapariahana lalàna, mba ahafahan’ny Kristiana mahafantatra ny lalàna manan-kery sy mandray andraikitra manoloana izany.

⭕Nanokatra ny famelabelarana ny Ministra, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay Mpitoriteny rahateo raha ny eo amin’ny sehatry ny Fiangonana, ka ny voalazan’ny Salamo 119 : 16 no nitondrany ny fanazavany.

➡️Taorian’izay dia nifandimby nanazava fehezan-dalana ny Mpiara-miasa amin-dRamatoa Minisitra ka lalàna roa izay mahakasika ny tontolon’ny Fiarahamonina no nampahafantarina dia ny lalàna vaovao laharana faha 2024-001 tamin’ny 26 Febroary 2024 manova sy manitsy ny Fehezan-dalàna famaizana momba ny fanolanana, sy ny lalàna mifehy ny Fianakaviana ka notsongaina manokana ny momban’ny tolotra na « donation » sy ny fandovana.

➡️Nazavaina ny lalàna vaovao sy ny lalan-kevitra nahatonga ny Fanjakana nanavao ny lalana mikasika ny fanolanana. Ho fiarovana ny ankizy eo anatrehan’ny fahapotehan’ny fiainany no isan’ny tena antony. Nomena ny famaritana ny atao hoe fanolanana sy ny sazy izay mihatra amin’ireo mpanolana araka ny lalàna vaovao.
Novelabelarina ihany koa ny fepetra arahina mba ho ara-dalana tsara ny tolotra izay ifanaovan’ny olona ary nampahafantarina ihany koa ny fepetra ahafahan’ny olona iray mandova.

⭕Taorian’izay dia nozaraina takilakely mirakitra izany lalàna momban’ny tolotra sy ny fandovana izany ireo Kristiana tonga tao. Nanomana izao fihaonana izao ny Foibe FJKM. Nanotrona ny fihaonana kosa ny Solotenan’ny FFKM eto Toliara, nahitana ny EKAR, FLM, ANGLIKANA, FJKM, ary teo ihany koa ireo mpivavaka avy amin’ny fiangonana rahavavy hafa.