Posted in Annonces et Informations

Ady amin’ny kolikoly eto anivon’ny Fitsarana

MIHATRA NY SAZY HO AN’IREO MANIA

Hampahafantarina ampahibemaso ato ho aty ny tatitra momba ny ady amin’ny kolikoly eto anivon’ny Fitsarana. Notontosaina androany tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny atrikasa fankatoavana io tatitra io. Tafiditra indrindra ao anaty Velirano nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry Rajoelina sy tarigetran’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo ny famerenana ny hasin’ny Fitsarana sy ny fitokisan’ny vahoaka aminy.
Mihatra tokoa ny sazy ho an’ireo izay mbola minia mandika lalàna. Tsy hiasa mangina intsony ny Fitsarana fa hiezaka tokoa ny hampahalala ny olom-pirenena ny vokatry ny asany. Nandray anjara tamin’ity atrikasa ity ny avy ao amin’ny tetikasa « Ny Fanjakana ho an’ny daholobe » na NFD, ny Vondrona Eoropeanina (UE), ireo solontena avy amin’ny Fiarahamonim-pirenena, ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.
Posted in Actualités

Tatitra ampahibemaso nataon’ny Fitsarana misahana ny Kaonty

SOSO-KEVITRA MARO HO FANATSARANA NY FITANTANAM-BOLAM-PANJAKANA

Fitsarana misokatra sy manakaiky vahoaka. Araka ny Velirano nataon’ny Filoham-pirenena Atoa Andry Rajoelina sy ny fanamby napetraky ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo, dia notontosaina androany maraina tetsy amin’ny Fitsarana an-tampony Anosy ny tatitra ampahibemaso nataon’ny Fitsarana misahana ny Kaonty ho amin’ity taona 2020 ity. Tanjona ny maneho ny fomba fitantanana mangarahara ny raharaham-panjakana.
Lohahevitra ny hoe : « zon’ny olom-pirenena ny mahafantatra ny nampiasana ny volam-panjakana », araka ny andraikitra lolohavin’ny Fitsarana misahana ny Kaonty dia ny fanaraha-maso mahomby ny fitantanana ny volam-panjakana ary ny fanampiana ny Fitondrana mahefa hisian’ny fanjakana tsara tantana. Maro ireo lesoka notsoahina sy tsy fanarahan-dalàna voatily, maro ihany koa ny soso-kevitra naroso entina hanatsarana ny ho avy.