Posted in Annonces et Informations

Fampahafantarana

FAMETRAHANA NY RANTSAM-PITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY MIFOTOTRA AMIN’NY MAHA-LAHY NA MAHA-VAVY SY NY POLITIKA FAMAIZANA  ANKAPOBENY AMIN’IZANY

Ny fanjakana malagasy dia nametraka ho vaindohan-draharaha ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha- lahy na maha-vavy, mba entina hamongorana ny tsy maty manota sy hisorohana ny firongatr’izany herisetra izany ary hanomezana ny fiarovana ara-tsosialy sahaza ireo niharam-boina. Napetraka araka izany ny Paikadim- pirenena entina miady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha- lahy na maha-vavy 2017-2021.
Mba hiatrehana ny toe-java-misy ankehitriny dia nandrafitra lalàna manokanany fanjakana hanamafisana ny ady atao amin’izany herisetra izany, dia ny lalàna laharana faha- 2019-008 mikasika ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy, izany navoaka hanan-kery ny 16 Janoary 2020.
Ho fampahatsiahivana, « ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy » dia milaza ireo herisetra rehetra ampiharina amin’ny olona iray noho ny maha-lahy na maha-vavy azy, ary mitarika na mety hitarika fahavoazana na fijaliana ara-batana, ara-pananahanana, ara-tsaina, na izany eo amin’ny lafim-piainany imasom-bahoaka na eo amin’ny lafim-piainany manokana.
Ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy dia mahakasika avokoa ny lehilahy, ny vehivavy, ny ankizilahy sy ankizivavy fa ny ankamaroan’ny tranga dia ny vehivavy sy ny ankizivavy no tena iharan’izany noho izy ireo marefo. Ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy dia matetika tsy heno anefa dia iainan’ny vehivavy sy ny ankizivavy malagasy andavanandro. Ireo herisetra ireo dia tsy ahafahan’ny niharam-boina misitraka ny zo maha-olona sy ny fahafahanafototra ary miteraka voka-dratsygoavana amin’ny fivelarana amin’ny maha-olona sy ny hoaviny. Araka ny fanadihadiana natao ho fanarahamaso ny fanatanterahana ny Tanjon’ny taona arivo fahatelo ho amin’ny fampandrosoana dia telopolo isan-jaton’ny vehivavy malagasy dia nilaza fa efa niharan’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy.

Lire la Suite « Fampahafantarana »