Posted in Annonces et Informations

Fitsarana miady amin’ny VBG

ENTANINA NY VAHOAKA HITOROKA NY MPANOLANA

Roso ity ka tsa mipody koa.

Ho hitam-poko sy ho hitam-pirenena ny vokatra. Asakasak’izay mbola sahy hanana eritreri-dratsy sy fomba fanao amin’ny heloka fanolanana amin’ny endriny rehetra, na ny herisetra atao amin’ny maha-lahy na maha-vavy (Violences Basées sur le Genre) na VBG. Herinandro monja tao aorian’ny fanambarana goavana nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana (GSMJ), Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo, dia efa miasa ny Fitsarana manokana momba ny VBG.

Nisy ny fivoriana androany maraina natao tao amin’ny Fitsarana an-tampony (Cour Suprême) Anosy, natrehin’ireo Mpitsara 4 mianadahy manampy ny Tonia Mpampanoa an’ny Fitsarana miady amin’ny VBG, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Polisim-pirenena sy Zandarimariam-pirenena (OPJ). Lahadinika ny fomba fiaraha-miasa.

Raha ny fanambarana nataon’i Rtoa Rakotomalala Hanitriniaina, dia nivoitra fa vonona tanteraka ny hiara-hiasa ireo avy amin’ny OPJ. Samy hiezaka izany hanatanteraka ireo baiko rehetra hampandehanana ny Fitsarana manokana momba ny VBG. Ankoatra izay, hiezaka hanafaingana ny fitsarana ny raharaha, mikasika ny herisetra atao amin’ny maha-lahy na maha-vavy sy ny fanolanana ny zaza tsy ampy taona, izay tonga aty amin’ny Fitsarana rehetra.

“Lasa manana ny lanjany ary laharam-pahamehana ny resaka herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy. Dikany, hanafaingana tanteraka ny raharaha VBG, anisany ny eto anivon’ny Fampanoavana manokana ohatra ny fisian’ny raharaham-pitsarana isan-kerinandro. Tsy miaraka intsony amin’ireo raharaham-pitsaraha hafa rehetra izay mifangaro taloha fa manana ny lanjany manokana satria ho sivanina” hoy Rtoa Andrianalivelo Prisca.

“Ny hafatra avy aminay ho an’ny olona rehetra iharan’ny VBG : sahia miteny, sahia mitoroka, sahia mijoro. Matoa izahay 4 mianadahy ireto natao ho Mpitsara manokana momba io raharaha VBG io  dia misy fiofanana manokana atrehanay, efa natrehanay ary mbola mitohy, sy hitohy. Hisy fandraisana manokana anareo mpitory eny anivon’ny OPJ, tonga aty koa dia mbola rafitra sy paikady manokana na procédure toy izay ihany koa no misy, ary hafa tanteraka ny famaizana” araka ny fanazavana nentin-dRtoa Razafy Harivony Vanessa.

Marihina fa Atoa Rajonson Andry Miary no Mpitsara faha-4 manampy ny Tonia Mpampanoa eo anivon’ity Fitsarana manokana miady amin’ny VBG ity.