Posted in Actualités

SAINTE MARIE: MISOKATRA NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY.

📌Zoma faha 04 Aogositra, miasa avy hatrany ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Sainte Marie. Tanteraka ny Politikan’ny Fanjakana, mikasika ny Fitsarana manakaiky vahoaka satria, hatramin’ izay dia mihatrika olana hatrany ny Mponin’i Sainte Marie, rehefa misy raharaha ilaina satria tsy maintsy mamonjy an’i Fenerive Est.

👉Napetraka tamin’ny toerana maha- Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Sainte Marie Ramatoa DAMA Jeannette Sylvana.

👉Napetraka tamin’ny toerana maha-Tonia Mpampanoa Lalàna eto Sainte Marie kosa i Ramatoa BEZAVAVY Lydie Christianna.

⭕Izy ireo dia samy nanamafy ny fampiharana ny Fitsarana tsy mitanila, miady amin’ny kolikoly ary ny Fitsarana manakaiky vahoaka.
Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana izay nanatrika ny fametrahana azy ireo dia nanentana ny olona mba tsy ho voasarika amin’ny Fitsaram-bahoaka, izay fihetsika voararan’ny lalàna. Namafisiny fa mihaino ny Fitarainan’ny olom-pirenena rehetra ny Minisiteran’ny Fitsarana, ary misy ny rafitra isan’ambaratonga azo hitondrana izany.

⭐Nanome voninahitra ity lanonam-pitsarana manetriketrika ity ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Fianakaviamben’ny Fitsarana avy ao Toamasina, Fenerive Est, Maroantsetra ary Mahajanga, niaraka tamin’ireo olo-manankaja Sivily sy Miaramila.

🎥 Manasa antsika ary hanaraka ny fanazavana nentin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto amin’ny Nosy Bora.

Posted in Autres Evenements

MANOLOANA NY RESAKA MIKASIKA NY FONJAN’I MANANJARY DIA MITONDRA NY VAOVAO FARANY NY TALE JENERALIN’NY FANDRAHARAHANA NY FONJA.

Posted in Actualités

FONJABEN’AMBOSITRA.

📌Talata 01 Aogositra 2023, tamin’ny fandalovan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana eto Ambositra dia tsy hainy ny nandalo fotsiny ihany fa dia nanolotra fanomezana ho an’ireo voafonja eto amin’ny Fonjaben’Ambositra izy ho fanampiana azy ireo; masinina fanjaraina, fanafody, savony, baolina, vilany, lafaoro, lafarina, vary ary vaomaina,

➡ Ao anatin’ny velirano faha3 napetraky ny fitondram-panjakana izay fanajana ny zon’olombelona no nanaovana izao indrindra amin’ny fampiana azy ireo amin’ny fiverenany eo anivon’ny fiaraha-monina indray mba tsy ho vesatra amin’ny fiaraha-monina.

🎥 Taorian’izay dia namaly ny mpanao gazety ny Minisitra mahakasika ny fonja manara-penitra, ny mahakasika ny hetahetan’ny voafonja fa indrindra ny tohin’ny raharaha nahakasika fiparitahan’ny laza adina Bacc 2023