Posted in Actualités

SAINTE MARIE: MISOKATRA NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY.

📌Zoma faha 04 Aogositra, miasa avy hatrany ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Sainte Marie. Tanteraka ny Politikan’ny Fanjakana, mikasika ny Fitsarana manakaiky vahoaka satria, hatramin’ izay dia mihatrika olana hatrany ny Mponin’i Sainte Marie, rehefa misy raharaha ilaina satria tsy maintsy mamonjy an’i Fenerive Est.

👉Napetraka tamin’ny toerana maha- Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Sainte Marie Ramatoa DAMA Jeannette Sylvana.

👉Napetraka tamin’ny toerana maha-Tonia Mpampanoa Lalàna eto Sainte Marie kosa i Ramatoa BEZAVAVY Lydie Christianna.

⭕Izy ireo dia samy nanamafy ny fampiharana ny Fitsarana tsy mitanila, miady amin’ny kolikoly ary ny Fitsarana manakaiky vahoaka.
Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana izay nanatrika ny fametrahana azy ireo dia nanentana ny olona mba tsy ho voasarika amin’ny Fitsaram-bahoaka, izay fihetsika voararan’ny lalàna. Namafisiny fa mihaino ny Fitarainan’ny olom-pirenena rehetra ny Minisiteran’ny Fitsarana, ary misy ny rafitra isan’ambaratonga azo hitondrana izany.

⭐Nanome voninahitra ity lanonam-pitsarana manetriketrika ity ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Fianakaviamben’ny Fitsarana avy ao Toamasina, Fenerive Est, Maroantsetra ary Mahajanga, niaraka tamin’ireo olo-manankaja Sivily sy Miaramila.

🎥 Manasa antsika ary hanaraka ny fanazavana nentin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto amin’ny Nosy Bora.